Fankalazana ny taona vaovao sy Lanonana firariantsoa
Araka ny efa mahazatra isaky ny harivan’ny 31 Desambra, dia manao fanambarana hoan’ny Firenena ny Filoham- panjakana amin’ny nahatratraran’ny Vahoaka ny faran’ny taona sy amin’ny firariantsoa hoazy hanitsaka ny taona vaovao.
Araka izay nanarahantsika mianakavy azy teo, dia nanao fanambarana hoan’ny Vahoaka Malagasy tsy an- kanavaka ny Filoha Avo ny Tetezamita, SEM RAJOELINA Andry Nirina, tamin’ny nahatrarany ny faran’ny taona 2011 ary nanolotra hoazy ihany koa ny firariantsoa feno sy tanteraka noho ny fahatongavan’ny taona vaovao 2012.
Nahatsikaritra isika mianakavy fa tsy niteny momba ireo fepetra mikasika ny raharaham-pirenena mihitsy ny Filoha RAJOELINA tamin’io fanambarana hoan’ny Vahoaka Malagasy vao nataony teo io. Izany no nataony dia satria, amin’ny anaran’ny Fihavanana sy Fahendrena Malagasy, ny vanim-potoana toy izao dia natokana manontolo hoan’ny fifampiarahabana sy firariantsoa noho izay fahatongavan’ny faran’ny taona sy ny taona vaovao izay.
Noho izany, ireo fepetra isan-tokony mikasika ny raharaham-pirenena ireo (karaman’ny mpiasam-panjakana sy ny sehatra tsy miankina, fanalefahan -tsazy omen’ny Filoha, vina ara-tsosialy sy toe-karena,sy ireo hafa), dia amin’ny Lanonan-dehibe, hanolorana ny firariantsoa hoan’ny Filoha mivady noho ny fahatongavan’ny taona vaovao, no hanambaran’ny Filoha RAJOELINA izany. Lanonan-dehibe izay hatao amin’ny volana Janoary 2012.
Izany no nataony dia mba ahafahan’ny Vahoaka Malagasy manontolo miara-mifaly sy mankasitraka an’Andriamanitra noho izao Asaramanitra izao, ka mba amin’ny fotoana hafa indray vao ho resahana ireo fepetra mikasika ny raharaham-pirenena.
Antananarivo, faha 31 Desambra 2011
Ny Mpiandraikitry ny Serasera Ao amin’ny Fiadidiana ny Fahefana Avo ny Tetezamita
FAMPITAM-BAOVAO
Fialan-tsasatra any ivelany ny Fianakaviana RAJOELINA
Tato ho ato izay, dia niteraka resabe tsy amin’ny antony, teo anivon’ny fampahalalam-baovao sasan-tsasany, ny mikasika ny fialan-tsasatra tany ivelany farany teo nataon’Atoa RAJOELINA Andry Nirina sy ny fianakaviany.
Sahala amin’ireo olom-pirenena afaka sy mahaleontena rehetra, Atoa RAJOELINA Andry Nirina sy ny fianakaviany dia mizaka feno ny zon’izy ireo hanao fialan-tsasatry ny faran’ny herinandro any amin’izay toerana nofidian’izy ireo, indrindra moa ka Fetin’ny Noely nandritra izany faran’ny herinandro izany.
Ary izany fialan-tsasatry ny faran’ny herinandro izany dia mifandraika, manontolo sy tsy azo lavina, amin’ny fiainana manokana. Noho izany, tsy misy fepetra manery azy sy ny fianakaviany ny tsy maintsy hamoahana izany ho fantatry ny besinimaro.
Ankoatra izay, satria tsy nitsahatra ny nanaja ny fahaiza-mitantana sy fitantanana ara-dalàna ny volam-panjakana izy, Atoa RAJOELINA Andry Nirina hatrany no nandoa ireo fandaniana rehetra (Saran-dàlana, fiantranoana sy sakafo), avy amin’ny volany manokana, nifandraika tamin’izany fialan-tsasatra manokana nataony sy ny fianakaviany izany. Anisan’izany ilay fialan-tsasatry ny faran’ny herinandro farany teo.
Noho izany, ny nanenjehana, na nivantana na an-kolaka, an’ Atoa RAJOELINA Andry Nirina ho tsy nanaja làlana sy fepetra, tamin’izany fizakany ny zony manokana izany, dia natao an-karatsiam-panahy miharihary ary koa tamin’ny tsy fanajana ny Lalampanorenana (Andininy faha 12) sy ireo fepetra mifehy ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara.
Antananarivo, faha 30 Desambra 2011
Ny Mpiandraikitry ny Serasera eo anivon’ny Fahefana Avo ny Tetezamita
Excellence Mesdames et Messieurs
les Représentants du Corps diplomatique et des Organismes Spécialisés,
Ianareo olo-manan-kaja sivily sy miaramila,
Tompokolahy sy Tompokovavy,
Araka ny efa nambarako tamin’ny faha 19 Novambra lasa teo dia ao anatin’ny fanatanterahana tanteraka ny Tondrozotra isika amin’izao fotoana izao ary miatrika ny dingana faharoa dia ny fananganana ny Governemantan’ny Firaisam-pirenena-na Gouvernement d’Union Nationale izany.
Niantso ireo mpanao pôlitika sy Vondrona pôlitika rehetra ny tenako mba samy ampandefitra ny ambom-po ka tsy hibanjina afa tsy ny tombontsoan’ny Firenena sy ny Vahoaka Malagasy roapolo tapitrisa.
Tsy maintsy miroso isika satria ny fiainam-pirenena tsy afaka miandry.
Noho izany dia am-pifaliana no anambarako etoana fa tafatsangana soa aman-tsara izany ny Governemantan’ny Firaisam-pirenena noho ny finiavana sy ny fahavononan’ny rehetra tsara sitrapo.
Eto aho dia mitodika manokana any amin’ny Vondrona Iraisam-pirenena, indrindra fa ny Troïka izay manana ny solontenany manokana eto androany, izay tsy iza fa ny Ambasadaoron’i Afrika Atsimo miasa eto Madagasikara, izay tsy nitandro hasasarana fa na andro na alina dia nanohana, nanoro hevitra ary nanampy tamin’ny lafiny rehetra mba hahombiazan’izao dingana faharoa izao.
Fisaorana sy fankatelemana no atolotra ny Troïka teo amin’izay vitany rehetra ary maniry isika ny mba hitohizan’izany fanohanana izany eo amin’ireo dingana hafa mbola ho hatrehana.
Tompokolahy sy Tompokovavy,
Tiako ihany ny mba mizara aminareo fa isaky ny mihaona ny Praiminisitra sy ny tenako tao anatin’ny fananganana ny Governemantan’ny Firaisam-pirenena, dia tao anatin’ny fitoniana, fahamalinana ary fibanjinana ny soa sy ny mety ho an’ny Vahoaka Malagasy hatrany ny dinika rehetra nifanaovanay.
Tsy misy anefa ny “Tonga Lafatra”, indrindra fa amin’izao vanim-potoana sy tontolo pôlitika iainantsika izao.
Tsy misy koa ny ho afa-po tanteraka satria ny “Marimaritra Iraisana” no mibaiko ny fanampaha-kevitra rehetra.
Ary izay indrindra no anaovako antso avo ho anareo Minisitra rehetra tsy ankanavaka izay voatendry ka mandrafitra ity Governamanta vaovao ity, mba hibanjina hatrany ny tombontsoa ambonin’ny Firenena indrindra fa ny soa sy ny mety ho an’ny Malagasy Roapolo Tapitrisa.
Tsy maintsy marihiko androany fa ny tanjona voalohany ary lehibe indrindra dia ny famaranana miaraka an’izao Tetezamita izao ka hametrahantsika faran’izay haingana ny Rafitra rehetra hijoroan’ny Repoblika Faha Efatra.
Izany hoe, ny Vahoaka Malagasy amin’izay no hanambara ny heviny amin’ny alàlan’ny Fifidianana malalaka sy mangarahara ka hisafidy ireo olona hitany fa mendrika hitondra ny feony ary hitantana ihany koa ity Firenena ity.
Tsy azo iandrasana ela intsony izany ka tsy maintsy misalahy sy mifanome tànana isika rehetra.
Fa ny fanamby lehibe ihany koa ho an’ity Governemanta ity dia ny fanamaivanana ny fahasahiranam-bahoaka sy ny famerenana ny fitokisan’ireo Mpamatsy vola hanampy ny Firenena Malagasy.
Ary farany, mino sy manantena ny Vahoaka Malagasy fa ho “Tompon’andraikitra matahotra an’Andriamanitra” isika rehetra izay nametrahana fitokisana.
“Ny Mpitondra hono mantsy dia mandalo ihany fa ny Vahoaka sy ny Firenana kosa dia mitoetra !”
Ry Malagasy Namana,
Marina fa sarotra sy maro fandrika ny lalana diavintsika kanefa aza kivy !
Manana ny ho aviny mamiratra i Madagasikara ary matoky izany isika Malagasy, koa tsy maintsy mifarimbona isika ary tsy maintsy mifampatoky !
“Ho tanteraka anie ny sitrapon’Andriamanitra!” « Masina ny Tanindrazana ! » Misaotra Tompokolahy, Mankasitraka Tompokovavy !
Ao anatin’ny fanatanterahana tanteraka ny Tondrozotra isika amin’izao fotoana izao ary miatrika ny dingana faharoa dia ny fananganana ny Governemantan’ny Firaisam-pirenena-na Gouvernement d’Union Nationale izany.
Raha ny nifanarahana dia efa tokony tamin’ny zoma teo no napetraka io Governemantan’ny Firaisam-pirenena io.
Araka ny anarany dia tokony ho Governemanta hampiray ny Firenena iray manontolo amin’ny alalan’ireo Vondrona politika nanao sonia izany Governemanta izany fa tsy sanatria, ho Rafitra hampisaraka na hampizara ny samy Malagasy avy amin’ny ataon’ny mpanao politika.
Iaraha-mahafantatra sy iaraha-mahalala fa ny Vahoaka Malagasy iray manontolo no miandrandra sy maniry ny hivoahan’i Madagasikara haingana dia haingana amin’izao krizy izao.
Koa, ho anareo Vondrona Politika tsy ankanavaka;
Iaraha - mahafantatra ankehitriny fa eo am-pelatanan’ny Mpanao politika ny ho avin’ny Firenena koa adidy sy andraikitry ny Mpanao politika no mamaha izao olana mianjady amin’ny Vahoaka Malagasy izao.
Mazava tsara ny voalazan’ny Tondrozotra ao amin’ny andininy faha enina mikasika ny fananganana ny Governemanta.
Ary mba ialàna amin’ny tsy fahombiazana amin’ny fanatanterahana toy ny tany aloha dia tsy misy mihitsy ny filazana fa afaka misafidy Minisitera ireo Vondrona politika ary tsy tokony hisy ihany koa ny fiadiana seza na toe-tsaina “tsy refesi-mandidy” na koa ny “tsy azo ivalozana” azon’ny Mpanao politika na Vondrona politika atao-na iza izy, na iza.
Manan-jo sy fahefana feno ny Filohan’ny Tetezamita sy ny Praiminisitra hifidy sy hanapaka izay olona hitany fa mendrika natolotr’ny Vondrona politika, apetraka eo amin’ny andraikitry ny Minisitera tsirairay avy.
Ho apetrakay ny “Fitsinjarana ara-drariny” ary ho hajainay ny voalazan’ny Tondrozotra.
Noho izany dia manantena ny hitsaharan’ny ady seza politika ny Vahoaka Malagasy ary miandrandra ny fahendren’ny tsirairay avy.
Mipitrapitra ny zaza madinika, mangasiasy ireo tanora ary velona ahiahy ny ray aman-dreny satria tsy misy manome ohatra tsara ho an’ny taranaka ny mpanao politika.
Marary fo sy tafintohina ny Malagasy noho ny tsy fahatsiarovan-tenan’ny mpanao politika.
Andraikintsika samy Malagasy irery ihany ny fandrafetana ny Governemanta kanefa toa tsy mahay mifanaja sy tsy mahatsanga-javatra miaraka isika.
Toa ny any ivelany indray aza no mampahatsiahy ny mpanao politika Malagasy fa efa mijaly ny Vahoaka.
Tokony hievitra ny fihetsika sy ny fanambarana ataony ny tsirairay avy.
Manana adidy amin’ny Firenena ny mpanao politika ka aoka samy hahatsiaro tena.
Eto aho dia mamerina ary manao antso avo fa ny “Fitiavan-tanindrazana” hatrany no tokony hibaiko ny rehetra.
Tsy azo ekena ny famonoana ny Firenena sy ny fanaovana takalon’aina ny Vahoaka roapolo tapitrisa.
Adidin’ny Mpanao politika sy ireo mpitarika azy ny mampiseho fifandeferana ka hitady hatrany ny “Marimaritra iraisana” izay fototry ny maha Malagasy antsika.
Mino sy matoky ny tenako fa hampiseho fahatsiarovan-tena baikon’ny feon’ny fieritreretany ny tsirairay avy.
Ary ny ho avin’ny Vahoaka Malagasy no tsy maintsy tsinjovina fa tsy ny ho avin’ny Vondrona politika.
Eo am-pelatanantsika ny ho avin’i Madagasikara ka aza omena ohatra ratsy na maha-menatra ireo zanantsika, zoky ray aman-drenintsika, rahalahy sy anabavintsika manerana ny Nosy.
Mijery antsika sy mitsara antsika izao tontolo izao.
Ry Vahoaka Malagasy Namana,
Aza manahy fa tsy maintsy ho tafavoaka amin’izao fotoan-tsarotra lalovana izao isika.
Ho hajaina ny Tondrozotra ary ho hatsangana ato anatin’ny fotoana faran’izay haingana ny Governemantan’ny Firaisam-pirenena.
“Ho tanteraka anie ny sitrapon’Andriamanitra!”
« Masina ny Tanindrazana ! »
Misaotra Tompokolahy, mankasitraka Tompokovavy !
Antso Avon’ny Filohan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita Atoa RAJOELINA Andry 17 Oktobra 2011
Ry Malagasy Mpiray Tanindrazana manerana ny Nosy,
Ianareo Vondrona Pôlitika izay nanao Sonia ny Tondrozotra,
Tompokolahy sy Tompokovavy!
Araka ny efa fantatsika dia vita Sonia ny faha-17 Septambra lasa teo ny Tondrozotra.
Nifanaraka ary nanao Sonia ny “Drafitra Fampiharana” an’io Tondrozotra io ihany koa ireo Vondrona Pôlitika ny faha-14 Oktobra farany teo.
Araka ny voalaza ao anatin’io “Drafitra Fampiharana” io dia amin’ny 1 Novambra ho avy izao farafahatarany, no tokony ho voatendry ny “Praiminisitra Ifanarahana”.
Ny andininy faha dimy ao amin’ny Tondrozotra, dia mamaritra fa, ireo Vondrona Pôlitika nanao Sonia ny Tondrozotra, no hanolotra amin’ny Filohan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita, ny lisitr’ireo anarana izay ho safidiany ho “Praiminisitra Ifanarahana”.
Araka ny taratasy nalefan’ny SADC izay voaray androany, ary ho fanajàna ny fotoana nifanarahana, dia manao “Antso Avo” etoana ny tenako, fa amin’ny Alarobia faha-19 Oktobra ho avy izao, manomboka amin’ny 10 ora maraina ka hatramin’ny 5 ora hariva, no handraisana ny anaran’ireo “Kandida ho Praiminisitra”.
Ry Malagasy Namako,
Ny handrasantsika amin’izany “Praiminisitra Ifanarahana” izany dia :
· Praiminisitra mendrika, vonona hamarana ny Tetezamita ka hitondra antsika ho any amin’ny Fifidianana,
· Praiminisitra hifehy ny fandriampahalemana,
· Praiminisitra mahay mandresy lahatra ny mpamatsy vola ary afaka mamerina haingana ny fitokisan’izy ireo,
· Praiminisitra afaka hifehy ny fahasahiranam-bahoaka sy ny ara-tsôsialy,
· Praminisitra azo ametrahan’ny Vahoaka fitokisana,
· ary olona matahotra an’Andriamanitra sy olom-pirenena tia Tanindrazana marina!
“Ho tanteraka anie ny sitrapon’Andriamanitra”!
« Masina ny Tanindrazana » !
Misaotra Tompokolahy, Mankasitraka Tompokovavy !
TONDROZOTRA HO AMIN'NY FIVOAHANA AMIN'NY KIRZY
ETO MADAGASIKARA
FIFANEKEN'NY MPANAO POLITIKA MALAGASY
SAVARANONANDO
Ireo Mpanao Politika Malagasy mpandray anjara amin’ity Tondrozotra ity dia nifanaraka fa hanao ireto fifanekena manaraka ireto ;
I. Andrim-panjakana ao amin’ny Tetezamita
1. Fanohizana ny fifanakalozan-kevitra Malagasy samy Malagasy, eo amin’ireo Mpanao Politika ho an’ny fananganana ny Governemantan’ny Tetezamita ho amin’ny Firaisam-pirenena sy ny fanitarana ny ho anisan’ny Kongresin’ny Tetezamita (CT), ny Filankevitra Ambonin’ny Tetezamita (CST) ary ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny Fifidianana (CENI) ;
2. Ny fomba arahina amin’ny tetezamita tsy mitanila, iarahana ary ifanarahana dia tokony hiafara amin’ny fanaovana fifidianana azo itokiana sy malalaka ary mangarahara eto Madagasikara ;
3. Andriamatoa Andry Nirina Rajoelina no Filohan’ny Tetezamita. Amin’io maha Filohan’ny Tetezamita azy io dia izy no misahana ny asan’ny Filoham-panjakana ;
4. Fanendrena ny Praiminisitra ifanarahana izay hitarika ny Governemantan’ny Tetezamita ho amin’ny Firaisam-pirenena ;
5. Ny Praiminisitra dia hotendren’ny Filohan’ny Tetezamita amin’ny lisitry ny olo-manan-kaja atolotry ny Mpanao Politika Malagasy nanao sonia ny Tondrozotra. Nifanekena fa ny Praiminisitra ifanarahana dia tsy tokony hitovy fiaviana na faritany na firehana politika izay manohana ny Filohan’ny Tetezamita ;
6. Ireo Mpanao Politika Malagasy nandray anjara tamin’ity Tondrozotra ity dia antsoina hanolotra ny lisitry ny olo-manan-kaja izay anendren’ny Filohan’ny Tetezamita, araka ny tolokevitra avy amin’ny Praiminisitra nifanarahana, ny Mambra ao amin’ny Governemantan’ny Tetezamita. Amin’ny fananganana ny Governemantan’ny Tetezamita, ny Filoha sy ny Praiminisitra nifanarahana dia manaiky hanao ny fanomezana marina sy ara-drariny ny andraikitra, amin’ny fanajana ny tondrofetra momba ny fiaviana ara-politika, ny fisoloan-tena ny vavy sy ny lahy sy ny fifandanjana isam-paritra. Raha misy ny fandroahana ny mambra iray ao amin’ny Governemanta, dia hatao ny fanoloana azy amin’ny mpikambana iray hafa ao amin’ny vondrona ara-politika niaviany araka ny fitsipiky ny paika arahina mitovy tamin’ny fanendrena ;
7. Ho an’ny fanitarana ny ho anisan’ny ao amin’ny andrim-panjakana ao amin’ny tetezamita, toy ny Kongresin’ny Tetezamita (CT), ny Filankevitra Ambonin’ny Tetezamita (CST) ary ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny Fifidianana (CENI), ireo Mpanao Politika Malagasy nandray anjara tamin’ity Tondrozotra ity dia antsoina hanolotra ny lisitry ny olo-manan-kaja izay anendren’ny Filohan’ny Tetezamita ny mpikambana amin’ireo andrim-panjakana ireo. Amin’ny fanendrena ny mpikambana amin’ireo andrim-panjakana ireo, ny Filohan’ny Tetezamita dia manaiky hanao ny fanomezana marina sy ara-drariny ny toerana, amin’ny fanajana ny tondrofetra momba ny fiaviana ara-politika, ny fisoloan-tena ny vavy sy ny lahy ary ny fifandanjana isam-paritra, ary koa ny fifandanjan’ny fizarana eo amin’ny samy Mpanao Politika Malagasy nanao sonia izao Tondrozotra izao, mba ho fitantanana tsara ny tetezamita ;
8. Ny Governemantan’ny Tetezamita dia hiandraikitra ny fitantanana ny raharaha andavanandro eto amin’ny Firenena sy ny fametrahana ny fepetra ilaina ho amin’ny fifidianana azo itokiana, marina sy mangarahara iarahana miasa amin’ny fiombonambe iraisam-pirenena. Izy dia tsy tokony handraikitra fifanekena vaovao lavitr’ezaka, izy ireny dia miankina amin’ny fari-pahefan’ny Governemanta ho avy aorian’ny fifidianana ;
9. Ny Parlemantan’ny Tetezamita dia hiandraikitra ny fanaraha-maso ny asa ataon’ny Governemantan’ny Tetezamita. Ny Parlemantan’ny Tetezamita dia hiandraikitra ihany koa ny fankatoavana ny hitsivolana nolaniana mandritra ny tetezamita, indrindra manokana ireo izay mikasika ny fizotry ny fifidianana, ary koa ny amin’ny fanolorana sy ny fandaniana ny lalàna tena ilaina.
II. Sehatry ny Fifidianana
10. Famolavolana sy fampiharana miaraka amin’ny manampahaizana avy amin’ny Firenena Mikambana, ny sehatry ny fifidianana azo itokiana, tsy mitanila, mangarahara ary mahaleotena, miorina amin’ny fanajana ny zo fototra sy ny fenitra iraisam-pirenena, indrindra amin’ny alàlan’ny :
a) Ny fanitarana izay ho anisan’ny ao amin’ny CENI sy ny fanavaozana ny vaindohan-draharahany mba hisian’ny fisoloantena mifandanja eo amin’ireo Mpanao Politika Malagasy nandray anjara amin’ izao Tondrozotra izao. Ny CENI dia tokony hiandraikitra ny fandaminana ny fifidianana rehetra indrindra fa ny fifidianana ny solombavambahoaka, ny filoham-pirenena ary ny ben’ny tanàna. Manana ny fahefana feno amin’ny fitantanana ny fomba arahina amin’ny fifidianana manontolo, ny CENI dia miandraikitra ny fiantohana ny fanatanterahana amin’ny fomba malalaka, marina ary mangarahara, ny fifidianana. Izany fahefana feno omena ny CENI izany dia mitsahatra amin’ny fotoana famoahana ho fantatry ny besinimaro ny vokatra vonjimaika ny fifidianana ;
b) ny fanavaozana ny Fehezan-dalàna momba ny fifidianana ;
c) fanomezana vahana ny fankatoavana sy ny fanajana ny Fehezan-dalàna momba ny Toetra Fototra sy ny Fitondran-tena Tsaran’ireo Mpanao Politika Malagasy eo amin’ny lafin’ny Fifidianana ;
d) ny fampiasana ny rafitry ny taratasin-datsabato tokana ;
e) ny fanabeazana momba ny fifidianana ;
f) ny fanavaozana ara-potoana ny lisi-pifidianana ;
g) ny tetiandron’ny fifidianana dia ho faritana miaraka amin’ny CENI sy ny solontenan’ny Firenena Mikambana izay mifototra amin’ny tatitry ny asa ataon’ireo manam-pahaizana manokana teratany sy iraisam-pirenana mikasika ny fanaovana tombon’ezaka ny zavatra ilaina amin’ny fifidianana ary izany mba handaminana fifidianana azo itokiana, marina ary mangarahara ao anatin’ny fotoana faran’izay haingana arak’izay azo atao eto Madagasikara ;
h) ny fizarana, eo anivon’ny distrika 119 ny zava-pantatra sy ny fitaovana informatika any amin’ny faritra ;
11. Tokony hatsangana ny Fitsarana Manokana momba ny Fifidianana noho ny antony manokana sy vonjimaika. Hiandraikitra ny fifanolanana eo amin’ny lafin’ny fifidianana sy ny fanambarana ny voka-pifidianana raikitra ny filoham-pirenena sy ny solombavambahoaka izy. Ny fampandehanana, ny ho anisany ary ny fahefan’izany Fitsarana izany dia ho faritan’ny lalàna ankatoavin’ny Parlemantan’ny Tetezamita ;
12. Mba hanadiovana tsara ny sehatra politika Malagasy, ny Parlemantan’ny Tetezamita dia tokony hankato lalàna vaovao mikasika ny Antoko Politika sy ny Sata mifehy ny Mpanohitra ;
13. Ny fiarahamonim-pirenena Malagasy dia asaina hanao fanaraha-maso ny fifidianana solombavambahoaka sy ny fifidianana filoham-pirenena ary hangata-panazavana ireo Mpanao Politika Malagasy izay mandika ny Fehezan-dalàna momba ny Toetra Fototra sy Fitondran-tena Tsara eo amin’ny lafin’ny Fifidianana. Ny fiombonambe iraisam-pirenena dia hantsoina hanampy ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny firaha-monim-pirenena;
14. Ny Filohan’ny Tetezamita, ny Praiminisitra nifanarahana ary ny Mambra ao amin’ny Governemanta dia tokony hametra-pialana amin’ny asany 60 andro alohan’ny vaninandro anaovana ny latsabato, raha toa izy ka tapa-kevitra hilatsaka ho fidiana amin’ny fifidianana solombavambahoaka sy filoham-pirenena. Na izany aza, mba hamenoana izay rehetra mety fahabangana eo amin’ny lafiny lalàna, dia hisy lalàna hankatoavin’ny Parlemantan’ny Tetezamita mba hamaritra ny fepetra fampiharana mifandraika amin’izany.
III. Fepetra mikasika ny Fifampitokisana sy ny Ezaka momba ny Fampihavanam-pirenena
15. Ny Filoha, ny Governemanta, ireo Lehiben’ny Andrim-panjakana ary ny fitondran-draharahan’ny tetezamita manontolo dia tokony hijanona ho tsy mitanila mandritry ny fe-potoanan’ ny tetezamita, indrindra amin’ny fomba arahina amin’ny fifidianana ;
16. Ny Filoha’ ny Governemanta, ny fitondran-draharahan’ny tetezamita manontolo ary ny andrim-panjakana rehetra dia tsy maintsy miandraikitra araka ny tandrify azy avy ny fanekena ireo fepetra mikasika ny filaminana sy ny fifampitokisana mba hisian’ny tontolo milamina sy tony, amin’ny fampijanonana ireo fanenjehana ara-pitsarana efa an-dàlana atao amin’ireo mpikambana ao amin’ny mpanohitra izay mety hifototra amin’ny antony ara-politika, ary ho fiantohana ny fanajana ny fanjakana tàn-dalàna sy ny feni-kevitra amin’ny fomba fitondrana mitovy. Ireo fepetra momba ny fifampitokisana ireo dia tsy mahakasika ny fanenjehana ara-pitsarana niandraiketana teo amin’ny sehatry ny heloka bevava natao tamin’ny olona, heloka bevava tamin’ny ady, heloka bevava noho ny fandripahana ain’olona maro ary fandikan-dalàna goavana ny zon’olombelona sy ny fahalalahana fototra ;
17. Ny Filoha, ny Governemantan’ny Tetezamita, ny fitondran-draharahan’ny tetezamita manontolo ary koa ny andrim-panjakan’ny tetezamita rehetra dia tokony hanaiky fa hiaro sy hampiroborobo ny Zon’olombelona eto Madagasikara, ary hanaja ny fahalalahana fototra, indrindra indrindra ny fahafahana miteny, maneho hevitra, miditra fikambanana, manao fihetsiketsehana ary koa ny fahalalahana amin’ny fanaovan-gazety. Ny fampiasana ireo zo ireo dia tsy maintsy tanterahina ao anatin’ny fanajana ny lalàna misy ao amin’ny firenena ;
18. Fanomezana famotsoran-keloka malalaka ho an’ny toe-draharaha rehetra ara-politika nitranga teo anelanelan’ny 2002 sy 2009. Tsy tafiditra ao anatin’ny famotsoran-keloka ny heloka bevava natao tamin’ny olona, ny heloka bevava noho ny ady, ny heloka bevava noho ny fandripahana ain’olona maro ary ireo fandikan-dalàna goavana hafa mikasika ny zon’olombelona sy ny fahalalahana fototra. Ny lalàna famotsoran-keloka dia hankatoavin’ny Parlemantan’ny Tetezamita ary tsy hisy fifidianana na iray aza tokony hatao alohan’io fankatoavana io ;
19. Ny Parlemantan’ny Tetezamita dia tokony hankatoa lalàna iray mikasika ny Sata mifehy ny Filoham-panjakana teo aloha izay ho toy ny fepetra manan-danja hiantohana ny fandriampahalemana ara-tsosialy sy ny tontolo milamina eto amin’ny Firenena. Ny Sata mifehy ny Filoham-panjakana teo aloha dia tokony atokana ho an’ireo Filoham-panjakana teo aloha izay nanapa-kevitra fa hitsahatra amin’izay rehetra asa aman-draharaha ara-politika manohana antoko politika, amin’ny fijerena akaiky ny fiheverana vokatry ny toerana misy azy tamin’ny lasa sy ny tokony hiarovana sy hiantohana ny fahamendrehany sy ny filaminany ;
20. Ny Fahefana Avon’ny Tetezamita (HAT) dia tokony hamela ny Olom-pirenena Malagasy rehetra nanao sesitany noho ny antony ara-politika hiditra eto Madagasikara tsy misy fepetra, anisan’izany Andriamatoa Marc Ravalomanana. Ny HAT dia tokony hiantoka ny fiarovana ireo malagasy rehetra nanao sesitany niverina an-tanindrazana. Ny HAT dia tokony hamolavola sy hamoaka hampanan-kery haingana ny lalàna ilaina, tafiditra amin’izany ny lalàna momba ny famotsoran-keloka, mba hiantohana ny fahalalahana ara-politika ho an’ny Olom-pirenena Malagasy rehetra ao anatin’ny fomba iarahana mitantana ny tetezamita, mitondra mankany amin’ny fanaovana fifidianana malalaka, marina ary azo itokiana ;
21. Ny Mpanao Politika Malagasy nandray anjara amin’izany Tondrozotra izany dia manaiky ny hankatoa tsy misy hatak’andro ny Fehezan-dalàna momba ny Toetra fototra sy ny Fitondran-tena tsara ara-politika mba hifehy ny asa aman-draharaha ara-politika eto Madagasikara mandritra ny vanim-potoana tetezamita. Manaiky ihany koa ny fanajana io fehezan-dalàna io izy ireo ;
22. Ny Mpanao Politika Malagasy rehetra nandray anjara amin’izany Tondrozotra izany dia antsoina handray anjara amin-kitsim-po amin’ny fomba itondrana ny tetezamita. Manaiky ihany koa ny hametraka ny tontolon’ny fandriampahalemana sy ny filaminana ho an’ny Malagasy rehetra, ny hisoroka ny fanakanana ny fomba itondrana ny tetezamita ary hitandro ny fitondran-tena mahomby sy feno fitiavan-tanindrazana mba hampandrosoana ny tetezamita ;
23. Tsy misy na dia iray aza Mpanao Politika Malagasy nandray anjara na tsia amin’izany Tondrozotra izany afaka mahazo na manana zo hitsipaka ny fanatanterahana izany Tondrozotra izany mandritra ny vanim-potoana tetezamita ;
24. Ny Mpanao Politika Malagasy rehetra nandray anjara amin’izany Tondrozotra izany dia tokony handà ny fampiasana herisetra na fampiasana fandrahonana toy izany mandritra ny vanim-potoana tetezamita. Tsy tokony hataony ihany koa ny mampirisika amin’ny fankahalana sy ny manao ny asa fanakorontanana rehetra mandritra ny tetezamita ;
25. Hisy fomba fampihavanam-pirenena , tarihin’ny andrim-panjakana iray eto amin’ny Firenena antsoina hoe ny Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy (Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy) sy hamorain’ny fiombonambe Iraisam-pirenena, tokony hatomboka mba hitsaboana sy hanombohana ny fanasitranana ny ratra isam-batan’olona sy iombonana tamin’ny lasa ary hametrahana ny fototra iorenana tsara amin’ny ho avin’i Madagasikara.;
26. Izay rehetra olona niharam-boina tamin’ny toe-draharaha ara-politika teo anelanelan’ny 2002 sy ny vaninandro anaovana sonia izao Tondrozotra izao izay tra-pahavoazana n’inon’inona karazany dia manan-jo amin’ny fanarenana sy/na fanomezana tamby avy amin’ny Fanjakana ka ny fombafomba amin’izany dia ho feran’ny Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy (Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy) ;
27. Hisy Tahirim-pirenena momba ny Firaisan-kina (FNS) hapetraka mba hanomezana tamby ny manan-jo amin’izany sy ny niharam-boina tamin’ny fahavoazana nihatra nandritra ny toe-draharaha ara-politika teo anelanelan’ny 2002 sy ny vaninandro anaovana sonia izao Tondrozotra izao. Ny fiombonambe iraisam-pirenena dia antsoina hanohana izany Tahiry izany ;
28. Ny mpikambana ao amin’ny Fiaraha-monim-pirenena Malagasy, izay ny Raiamandreny Mijoro, ny FFKM, ny CNOSC ary ny FINONA no miandraikitra ny fizohina sy ny fanaraha-maso eto amin’ny Firenena ny fampiharana izany Tondrozotra izany, mandra-pahatapitry ny vanim-potoana ny tetezamita. Amin’ny fanatanterahana ny asany, angatahina izy ireo mba hitandro ny tsy fanaovany politika sy ny fivondronany. Ny fiombonambe Iraisam-pirenena dia antsoina hanohana ny fanamafisana ny fahafaha-manao amin’izany fomba fitondrana eto amin’ny Firenena izany ny fizohina sy ny fanaraha-maso ny fampiharana izao Tondrozotra izao;
29. Hisy Birao momba ny Fanelanelanana ao amin’ny SADC hapetraka eto Madagasikara mba hanohana amin’izany ny fifanakalozan-kevitra eo amin’ny Malagasy samy Malagasy sy ny fomba itondrana ny tetezamita, miaraka amin’ny fanampiana ara-teknika avy amin’ny Firenena Mikambana. Ny anjara asan’ny Birao momba ny Fanelanelanana dia mifarana ny andro anaovana ny fandraisan’ny Filohan’ny Repoblika vaovao fahefana, izay manamarika ny fiafaran’ny tetezamita ;
30. Izao fanekena izao dia manafoana sy manolo ny fanekena rehetra noraisina sy na nosoniavina tany aloha mikasika ny tetezamita eto Madagasikara ;
31. Tsy misy na dia iray aza paika arahina amin’ny tsy fahafahana miasa na fanonganana ny Filohan’ny Tetezamita, na fitsipaham-pitokisana atao amin’ny Governemantan’ny Tetezamita, na fepetra fandravana ny Parlemantan’ny Tetezamita azo tanterahina mandritra ny tetezamita ;
32. Ny fifanolanana rehetra amin’ny fivoasana sy ny fampiharana ireo fepetra voalazan’izao Tondrozotra izao dia atolotra ho dinihin’ny Mpanelanelana ao amin’ny SADC ho fehin-kevitra.
IV. Fomba fitondrana ny Fanatanterahana sy ny Fampiharana ny Fifanarahana
Aorian’ny fametrahana tanteraka ny Governemantan’ny Tetezamita ho amin’ny Firaisam-pirenena, ny Parlemantan’ny Tetezamita ary ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny Fifidianana tsy mitanila, iarahana ary ifanarahana, ary koa ny fandraiketana fifanarahana amin’ny Tondrozotra amin’ny vanim-potoana tetezamita, ny SADC sy ny Firaisam-be Afrikana dia manainga mavesatra ny fiombonambe iraisam-pirenena handray ireto fanekena manaraka ireto :
33. Ny fametrahana ny Birao momba ny Fanelanelanana ao amin’ny SADC eto Madagasikara mba hanohana amin’izany ny fifanakalozan-kevitra eo amin’ny Malagasy samy Malagasy sy ny fomba itondrana ny tetezamita. Manoloana izany, ny Firenena Mikambana dia antsoina hitondra ny fanampiana ara-teknika, ara-pitondran-draharaha ary ara-bola ny Mpanelanelana ao amin’ny SADC ;
34. Fankatoavana iraisam-pirenena ny Filoha sy ny Governemantan’ny Tetezamita eto Madagasikara, aorian’ny fametrahana ireo Andrim-panjakana ao amin’ny tetezamita iarahana sy ifanarahana ;
35. Ny SADC sy ny UA dia mangataka amin’ireo mpiara-miombon’antoka eo amin’ny Firenena roa tonta sy eo amin’ny Firenena maro amin’ny Madagasikara ny hitondrana, ao anatin’ny fanajana ny paika arahiny avy, ny fanohanany amin’ny endrika maro ny Andrim-panjakana ao amin’ny tetezamita ifanarahana sy iarahana, indrindra ny Governemantan’ny Tetezamita, ny Kongresin’ny Tetezamita, ny Filankevitra Ambonin’ny Tetezamita ary ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny Fifidianana sy ny Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy (Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy) ;
36. Ny SADC, Ny Firaisambe Afrikana, ny Firenena Mikambana, ny OIF, ny COI ary mivelatra kokoa amin’ireo mpiara-miombon’antoka rehetra voakasika dia manaiky hitondra ny fanohanan’izy ireo ara-politika, ara-pitaovana, eo amin’ny lafiny fampitaovana ary ara-bola amin’io fifanakalozan-kevitra io ary amin’ny fomba itondrana ny tetezamita, mba hiantoka ny tetezamita tsy misy fifandonana mitondra any amin’ny fifidianana azo itokiana, malalaka, marina ary mangarahara ;
37. Amin’izany, Ny Firenena mikambana dia hametraka ny birao fanohanana amin’ny Fanelanelanana ataon’ny SADC amin’ny ezaka fanohizana ny fifanakalozan-kevitra eo amin’ny Malagasy samy Malagasy, amin’ny fandaminana ny fifidianana, ny fampihavanam-pirenena ary ny fanamafisan’orina ny fandriampahalemana ;
38. Fanomezana ny fanampiana ara-bola, ara-teknika, ara-pitoavana ary fampitaovana amin’ny fizotry ny fifidianana ;
39. Eo ambany fitarihan’ny Ekipan’ny Fanelanelanana ao amin’ny SADC, tohanan’ny Firenena Mikambana, Ny fiombonambe iraisam-pirenena no hiandraikitra ny fizohina sy ny fanaraha-maso iraisam-pirenena amin’ny fanatanterahana ity Tondrozotra ity, amin’ny fiaraha-miasa miaraka amin’ireo mpanao politika eto amin’ny Firenena sy Iraisam-pirenena manan-danja ;
40. Ny SADC sy ny Firaisambe Afrikana dia mangataka ny fiombonambe iraisam-pirenena mba hanaiky amin’ny fandefasana ireo mpanara-maso iraisam-pirenena amin’ny fifidianana solombavambahoaka sy Filoham-pirenena ;
41. Fampihantonana sy fanalàna miandalana ary arahina fepetra ireo sazy apetraka eto Madagasikara arakaraky ny fanatanterahana ireo dingana ferana amin’ity Tondrozotra ity ;
42. Ny mpiara-miombon’antoka dia handinika ny fahafahana mamerina indray ny fanampiany sy fiarahany miasa amin’ny fampandrosoana, amin’ny maha-olona, ara-bola ary ara-toekarena ;
43. Raha misy fandikan-dalàna bevava atao amin’ity Tondrozotra ity ny mpiara-miombon’antoka dia handinika ny fahafahana mandray sazy atao amin’ny mpandika lalàna na nanao sonia na tsia ity Tondrozotra ity izy ireo ;
44. Ny Mpanelanelana dia tokony hanohy ny fanarahana akaiky ny toe-draharaha, mitondra raha ilaina ny fanohanany sy ny fanamorana ataony amin’ny Malagasy ary hanao tatitra ara-dalàna amin’ny SADC, Ny UA ary ny fiombonambe iraisam-pirenena ny amin’ny fivoaran’ny toe-draharaha eto Madagasikara ;
45. Ny andininy faha 20 amin’ity Tondrozotra ity dia hovakiana miaraka amin’ny Filazana Fanazavana ao amin’ny tovana izay ho zary ampahany manontolo amin’io Tondrozotra io ihany.
FAMPITAM-BAOVAO
Fiaingan’ny Filohan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita hiazo an’i New York
Anio Alarobia 21 Septambra 2011 no hanainga ho any New York ny Filohan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita, sy ireo mpiara-dia aminy, handray anjara amin’ny fivoriambe faha-66 an’ny Firenena Mikambana.
Mandritra io fandalovany ao New York io ihany koa dia horaisin’ny Filoha RAJOELINA ireo Filoham-panjakana maniry ny hihaona manokana aminy.
Ankoatra izay, hihaona amin’ireo tompon’andraikitra ambony ao amin’ireo vondrona iraisam-pirenena isan-tokony ihany koa ny Filohan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita mandritra io fivahinianany ao New York io.
Fa nialoha ny fiangany, ny Filoha Rajoelina dia nihaona tamin’ny solontena roa (02) avy, avy amin’ny vondrona politika vao avy nanao sonia ny Tondrozotra, nahitana ny avy amin’ny « Huit entités politiques », ny avy amin’ny TIM sy ny GMMR, ary ny avy amin’ny Ankolafy Zafy Albert. Nandritra io fihaonana io dia niantso ireo vondrona politika ireo ny Filoham-panjakana mba hieritreritra sy handinika ireo fomba hanohizana ny fampiharana ny Tondrozotra.
Nanambara ny Filoha RAJOELINA fa manana hatramin’ny fiverenany eto an-tanindrazana, aorian’io diany any New York io, ireo mpanao politika ireo mba hanomezan’ireto farany ny fehin-kevitra avy amin’izy ireo.
Antananarivo, faha-21 Septambre 2011
Ny Tompon’andraikitry ny Serasera eto anivon’ny Fiadidiana ny Fahefana Avon’ny Tetezamita
Na dia ao anatin’ny fahoriana aza isika dia fotoana nifanomezana ny fotoana androany, ka hajaina. Araka ny fantatsika dia nodimandry ny Minisitry ny Mponina sy ireo mpiara-miasa aminy, koa ao anatin’ny alahelo isika amin’izao fotoana izao.
Tsara ny mampatsiahy fa izy dia anisan’ny voalohany nijoro, nitsangana niaraka tamiko teny amin’ny Kianjan’ny Demokrasia. Koa mamelà ahy ianareo mba hiteny kely momba azy, mialohan’ny votoatin-dresaka hifanaovantsika.
Vehivavy mahery fo, tsy mitsaoka olana, sahy mijoro ary tsy miandry baiko fa tonga dia mandray andraikitra avy hatrany izy. Tena mpiahy ny osa sy ny ory, ary tia mifangaro amin’ny Vahoaka, Ramatoa Minisitra. Izy no mandao antsika fa ny zavatra tsara rehetra vitany kosa dia hijanona ao am-pontsika mandrakariva.
Ry Mpiray Tanindrazana Namako,
Maro amin’ny Vahoaka Malagasy no miandry ny fanapahan-kevitra ho raisin’ny Fanjakana, sy ny tenako, amin’ny maha-Filohan’ny Tetezamita ahy, tao aorian’ny fe-potoana nomena ny SADC, hanomezany ny daty hanatanterahana, ny sonian’ny tondro-zotra nampanantenainy ho atao, eto Madagasikara.
Nandritra ny enim-bolana be izao dia tsy nisasatra niandry isika Vahoaka Malagasy ny fotoana hananterahina amin’ny fomba ôfisialy izany sonia izany taorianan’ny rango-pohy natao tamin’ny 9 Martsa 2011, teny amin’ny « Centre de Conférences Internationales Ivato », fa dia nampiandrasina isika ary mbola miandry ankehitriny. Isaky ny mivory ny SADC dia mitodika any amin’ny toeram-pivoriany ny Vahoaka 20 tapitrisa miandrandra sy manantena vaha-olana maharitra.
Tsy afa-miandry intsony anefa isika, satria efa ho 2 taona sy tapany ny Vahoaka Malagasy no niandry ny vokatry ny fifampidinihana sy ny fanelanelanana, ary nekeko ny hametrahana ny tondro-zotra, na dia efa manana lalàm-panorenana aza i Madagasikara, izay nanehoan’ny Malagasy ny safidiny, ary nankatoavina ny volana novambra 2010.
Nekeko ny fenelanelanana sy ny fifampidinihana raha izay no hamahana ny olana ara-pôlitika, ary nisy hatrany ny fandeferana natao tao anatin’izany rehetra izany. Tsapako anefa fa vidiana lafo izany fandrirariràna samihafa izany, eo amin’ny lafiny toe-karena sy sôsialy, satria reko avokoa ary fantatro ny hasarotan’ny fiainana andavanandro, na ho an’ny mpandraharaha, na ho an’ny Vahoaka tsy mandady harona. Misy fetrany ny ala-nenina, ary manana ny fiandrianany sy ny maha-izy azy ny Firenena Malagasy. Koa satria mirona amin’ny tondro-zotra, ny hevitry ny maro ao amin’ny Vondrona Pôlitika izay nanao rango-pohy, mba hisian’ny filaminana sy ny fitoniana, fa indrindra noho ny tombontsoa ambonin’ny Firenena, dia manapa-kevitra aho, miaraka amin’ny fitondràna tarihiko, fa hirosoantsika ny fanaovan-tsonian’ ny tondro-zotra nasiam-panitsiana amin’ny maha-samy Malagasy, ary miantso amin’ny fomba ôfisialy, ny Vondrona Pôlitika rehetra tsy ankanavaka, hanatanteraka izany ato anatin’ny fotoana fohy.
Rehefa vita ny Sonian’ny tondro-zotra nasiam-panitsiana izay namafisin’ny Sekretera Mpanatanteraky ny SADC, dia ho tohizana avy hatrany ny fampiàrana amin’ny antsipirihany ny voalaza rehetra ao anatin’io tondro-zotra io. Ary io sonia farany io no mamarana ny dinika ara-pôlitika eto amin’ny Firenena, ary hahafahana mifantoka amin’ny fifidianana izay ho atao.
Ny tenako dia resy lahatra fa fifidianana ihany no tsy maintsy hiafaràn’izao olana ara-pôlitika izao. Saingy fifidianana tsy maintsy eken’ny maro an’isa eo amin’ireo mpifanandrina ara-pôlitika, madio, mangarahara sy azo antoka, ary efa miroso amin’ny fanatanterahana izany ny CENI.
Koa ireo manao sonia no hanoritra avy hatrany sy hifantoka amin’ny fifidianana izay tokony ho atao.
Tompokolahy sy Tompokovavy!
Am-pahendrena sy am-pitoniana no nakantsika fanapahan-kevitra àry anoritantsika miaraka ny lalan-kizorana sy ametrahantsika ny vaha-olana maharitra.
Koa matoky ny “Famatorana” sy ny “Firaisankinan’ny Malagasy” ny tenako amin’izao dingana farany atrehana izao.
“Ho tanteraka anie ny sitrapon’Andriamanitra!”
Andry Nirina Rajoelina
Ny Filohan'ny Fahefana Avon'ny Tetezamita
FAMPITAM-BAOVAO
Fijoroana vavolombelona nataon’ny tomponandraikitry ny Seraseran’ ny Minisiteran’ny Mponina, Andry Rakotondrainy, isan’ireo velona
Toy izao ny zava-niseho teny ambony ranomasina raha niainga avy any Sainte Marie hiazo an’i Soanierana Ivongo izahay rehefa avy namonjy ny « Festival Tsolabe ». Raha iny hiditra ny vinany fihaonan’ny ranomasina hiditra an’i Soanierana Ivongo iny izahay dia misy onja goavana be izay tsy maintsy andehanan’ny sambo moramora. Nandeha mora araka ny baikon’ny Kaomandà izay nitondra anay ny mpanamory. Rehefa niroso kelikely dia niteny ilay Kaomandà hoe : “mivilia an-kavia”, dia navilin’ilay mpanamory an-kavia ilay sambo. Rehefa tafavily an-kavia izahay dia tafalatsaka teo anelanelana onja lehibe anankiroa. Ny amin’ny ilany an-kavia dia onja misintona mankany amin’ny tora-pasika ary ny ilany havanana dia onja vaventy manosika anay any afovoan-dranomasina. Nitongilana niankavia vokatr’izany ilay vedety nitondra anay. Izay no nahatonga anay hivadika ambony ambany.
Izaho moa, tany amin’ny faritra niainga tamin’ilay sambo ka nianjera avy eny ambony ary notatazan’ny riran’ilay vedety ihany. Iny no nitondra anay nilentika tany ambany ranomasina. Somary tonga saina kely aho ka nanezaka hiakatra ambonin’ny ranomasina. Izaho rahateo anefa tsy mahay milomano saingy nanao izay afako ihany aho ivoahako ka tafavoaka soamatsara. Rehefa tafavoaka aho, notazaniko efa lasa lavitra ilay onja kanefa izaho tsy mahay milomano. Ny fara-heriko dia niezaka namikitra tamin’izay voarain’ny tanako tamin’ilay vedety, efa niongana. Nitazona teo aho aloha. Ny tanako ilany anefa malemy ka iray ihany no afaka nitazona. Tsitapitapitr’izay dia nisy onja hafa indray ka votsotra indray ny tanako ary nilentika fanindrony indray aho. Tafavoaka ihany anefa aho ary tafatazona : “bouet” boribory iray sendra tazako. Natosik’ilay onja indray anefa aho satria nalama ilay : “bouet” dia nilentika fanintelony indray aho.
Rehefa tafavoaka tamin’izany aho dia nanantona ny “hélices”-n’ilay sambo ary nitazona teo. Tsy nahatanty izany aho satria efa tena reraka be, dia niala aho ary natosiky ny onja nihazo ny sisin-dranomasina. Rehefa voatosika kelikely aho dia afaka nijoro ary nahatehina fasika ny tongotro. Tsapako fa efa manomboka mahazo ny toerana marivo aho. Nanomboka teo dia nanaraka izay fanosehan’ny onja fotsiny izaho. Tonga teny amin’ny tora-pasika ihany aho. Iny izaho natsipin’ny onja teny amin’ny tora-pasika iny no efa nisy olona tonga nanome tanana namonjy ilay sambo nandehananay. Niara-nientana nanavotra ilay sambo rendrika tamin’izany ny mponina tao amin’ilay tanàna tsy lavitra teo, hatramin’ny prezidàn’ny Fokontany.
Rehefa tafavoakan’izy ireo tao anatin’ilay sambo ramatoa Minisitra sy ilay “attaché de presse” namako, izay tsy iza fa Itompokolahy Hery, dia sivy minitra sa folo minitra taorian’izay dia nanainga an’ilay vedety ireo tonga namonjy. Tamin’izay indrindra no nisy zavatra nipoaka mafy be, nisy tselatr’afo mijoalajoala be, efa ho roa metatra. Ireny zavatra ireny zany no isan’ny namparatra sy nahafaty ilay prezidàm-pokontany tonga nanavotra teo sy ny olona rehetra nanodidina. Anisan’ny nipoahan’izany, ny mpiambina iray an-dRamatoa Minisitra izay tsy niaraka tamin’ny vedety. Tany amin’ny ilany avy eny ampita izy, nesoriny ny basy teny aminy, ary niezaka, nihazakazaka, nidina tany an-dranomasina izy. I John no anarany. Izay no zava-niseho tamin’ny omaly (miantso ny alahady tolakandro lasa teo, fotoana nisehoan’ny loza).
Miisa 10 no totalinay ka efatra no maty, efatra hafa avotra soamantsara ary isan’izany aho ary roa mbola tsy hita popoka.
Toamasina, le 29 Aogositra 2011
Ny Tompon’andraikitry ny Serasera eto anivon’ny Fiadidiana ny Fahefana Avon’ny Tetezamita
Nigadona teto Toamasina androany Alatsinainy 29 Aogositra 2011 tamin’ny 09 ora maraina, ny Filohan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita mivady, niaraka tamin’ny Minisitry ny Foloalindahy, ny Ministry ny Serasera ary ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarmariam-pirenena. Efa tonga nialoha avy any Antananarivo kosa ny Minisi-panjakana misahana ny Fifandraisana amin’ny Andrim-panjakana, ny Ministry ny Jono sy ny Harena an-dranomasina, ny Minisitry ny Tanora sy ny Ala-voly, ny Minisitry ny Varotra ary ireo mpikambana maro amin’ny CT sy CST avy amin’ny Faritra Analanjirofo sy Atsinanana.
Ny razana 04 nahitana ny an’ny Minisitry ny Mponina sy mpiara-miasa taminy miisa telo, dia nigadona tao Toamasina tamin’ny 09 ora sy sasany rehefa avy nandrasana omaly alina tao Fénérive Atsinanana. Marihina fa misalotra ny sainam-pirenena malagasy avokoa ireo razana 4 ireo.
Ao amin’ny kianja mitafo Soavita no niandrasana ireo razana ireo. Ankoatra ireo mponin’i Toamasina dia anisan’ireo tonga niondrika nanoloana ireo nofo mangatsiaka ihany koa ireo vehivavy maro avy ammin’ny fikambanam-behivavy eto amin’ny faritra Atsinanana izay niahian-dRamatoa Ministra fony fahavelony. Ranomaso no nandraisin’ireo vehivavy marobe ireo ny razana ary endrika manjombona no hita ato amin’ny kianja mitafo Soavita.
Ny tohin’ny fandaharam-potoana rehetra, izay heverina fa tokony ho fantatry ny vahoaka Malagasy tsy an-kanavaka, dia hampitain’ny onjam-peo sy fahitalavi-pirenena mivantana. Nomarihina tamin’ny fotoam-pivavahana ny fiandrasana ny nofo mangatsiaka ary eo andalam-pandaminana ny fomba hitondrana ny razana any an-drenivohitra ny rehetra.
Toamasina, le 29 Aogositra 2011
Ny Tompon’andraikitry ny Serasera
eto anivon’ny Fiadidiana ny Fahefana Avon’ny Tetezamita
FAMPITAM-BAOVAO
Fodiamandrin’ny Ministry ny Mponina sy ny Raharaha sosialy
Ny Filohan’ny Fahefana Avo ny Tetezamita mivady dia maneho ny fiaraha-miory amin’ny Fianakavian’ny Ministry ny Mponina sy ny Raharaha sosialy, amin’ireo Mpiara-miasa aminy, miisa telo, sy amin’ireo Mponina ao Soanierana Ivongo, miisa fito, izay nodimandrry tampoka noho ny loza an-dranomasina nitranga tany an-toerana.
Itompokovavy RAMAROSON Nadine dia iarahantsinika rehetra manaiky fa nahavita be tokoa teo amin’ny asa sy adidy izay nataony, izay tsy nitsaharany sy tsy nahalalany asasarana tamin’ny fikarakarana ny sosialim-bahoaka.
Izany rahateo no nampitoetra hatrany ny fitokisan’ny Fitondram-pajakana taminy ka nametrahana sy nanendrena azy hatrany nisahana io Ministera io.
Andriamanitra Andriananahary anie hanome fionana feno ho antsika tsirairay avy ho fiatrehantsika izao namoizana olo-mangan’ny Firenena izao.
Antananarivo, faha 28 Aogositra 2011
Ny Filohan’ny Fahefana Avo ny Tetezamita RAJOELINA Andry Nirina
KABARIN’ANDRIAMATOA ANDRY NIRINA RAJOELINA FILOHAN’NY FAHEFANA AVON’NY TETEZAMITA FANOKAFANA AMIN’NY FOMBA OFISIALY NY TAOM-PIASAN’NY FILANKEVITRA AMBONY MOMBA NY MPITSARA. EFITRANO FITSARANA TAMPONY ETO MADAGASIKARA Alarobia 03 Aogositra 2011 --------
Tompokolahy sy Tompokovavy,
Tafavory eto isika androany hiatrika ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny taom-piasan’ny Filankevitra Ambony momba ny Mpitsara ka tolorana arahaba isika rehetra tafavory eto. Azo lazaina ho vaninandro lehibe eo amin’ny Fitsarana Malagasy ity andro anio ity, satria sambany teto amin’ny Firenena ny hanokafana amin’ny fomba ofisialy ny taom-piasan’ny Filan-kevitra Ambony Momba ny Mpitsara. Midika sahady ho fametrahana ny Fitsarana Malagasy amin’ny toerana sahaza azy izany, ary ny firosoana lalindalina kokoa amin’ny fisian’ny Fanjakana tan-dalàna eto Madagasikara izany.
Tolorana arahaba manokana ianareo rehetra Mpikambana vaovao ato amin’ny Filankevitra Ambony momba ny Mpitsara. Aleo hahalasa amin’ny fanatontosana ny andraikitra lehibe sahaninareo, ary mino aho fa hohasandratrareo ambony ny hasin’ity Filankevitra ity. Amin’ny maha-Filoha ahy an’ity Filankevitra Ambonin’ny Mpitsara ity dia raisiko ho adidy ny misintona ny sain’ny rehetra amin’ireo lafiny anankiroa mahakasika ny andraikitry ny Filankevitra Ambonin’ny Mpitsara dia : ny momba ny fiandraketana ny fiarovana arak’asa ary famaizana ny Mpitsara sy ny momba ny fahaleovan-tenan’ny Fitsaràna.
Araky ny lalàna fehizoro, laharana Faha 2007-039, tamin’ny 14 janoary 2008, dia ny Filankevitra Ambonin’ny Mpitsara no miantoka ny fitantanana ny fizotran’ny asan’ny Mpitsara, ary manolon-kevitra mikasika ny fanendrena, ny fisondrotana ary ny famindran-toeran’ny Mpitsara. Izy ihany koa no miantoka ny fampiharana tsara ny fehezan-dalàna momba ny fitondran-tenan’ny Mpitsara sy ireo fitsipika momba ny fitondran-tenana mikasika ny asan’ny Mpitsara. Mandinika sy manapa-kevitra izy momba ny famaizana ny Mpitsara manao fahadisoana.
Manainga anareo Mpikambana ao amin’ny Filankevitra aho handinika amin’ny fo tsy miangatra ny toe-draharaha rehetra entina eo anatrehanareo. Ny fahaiza-manao, ny fahamendrehana eo amin’ny fitondrantena sy ny adidy aman’ andraikitra tanteraka ihany, no tokony hanomezana na tsy hanomezana fisondrotana, na hanendrena amin’ny toerana ambonimbony kokoa. Ary raha sanatria ka misy ny diso làlana, dia manana adidy ianareo hanome ny sazy sahaza ary mifandanja amin’ny fahadisoana natao, tsy misy fijerena tavan’olona. Ny fanajana izany foto-kevitra ny fomba fiasa izany ihany, no hany antoka lehibe hisian’ny fitokisan’ny Mpitsara, ary indrindra indrindra ny vahoaka, amin’ny Filankevitra. Koa mitaky fahatsapahan-tena, fanetren-tena ary fahamatorana, ny asa izay ho sahaninareo.
Mikasika ny Fahaleovantenan’ny Fitsarana manokana, dia mazava toy ny masoandro be lohataona ny voalaza ao amin’ny Lalàmpanorenana, sy ny Sata mifehy ny Mpitsara, fa mahaleo tena ny Mpitsara amin’ny fandraisana ny DIDY izay avoakany, fa kosa, tokony hifanaraka tsara amin’ny lalàna velona izany. Lalàna velona hoy aho satria, tompon’andraikitra ny Mpitsara amin’ny fitandroana toy ny anakandriamaso ny fitsipika mifehy azy. Ary tsy ho ekeko velively ny Fitsabatsabahana sy Faneriterena ny Mpitsara mpamoaka didy, na avy amin’iza na avy amin’iza.
Ary milaza aminareo Mpitsara rehetra aho fa tsy mba hanao “intervention” (na tsindry bokotra) mihitsy ny tenako ary tsy eken’ny foto-pisainako manokana mihitsy rahateo koa izany. Ambarako mazava tsara eto fa vonona hiaro ny fahaleovantenan’ny Fitsaràna ny tenako, ary mitaky Fitsaràna madio sy amin’ny ara-drariny ihany koa, satria fitsaràna azo antoka no ilaina sy takian’ny Vahoaka Malagasy ankehitriny.
Aza gaga ianareo raha maro no milaza ary miahiahy fa misy Mpitsara manao kolikoly. Ho setrin’izany dia takiana ny fitondran-tena mendrika avy aminareo Mpitsara. Aoka ny didy avoakanareo hifototra hatrany hatrany amin’ny lalàna, ary amin’ny lalàna irery ihany. Antso avo àry no ataoko aminareo Mpitsara rehetra manerana ny Nosy mba tsy hihoha-pefy, ka hiady mafy amin’ny loza fanetri-be amin’ny fampandrosoana ny Firenena, dia ny kolikoly izany. Koa manainga anareo Mpikambana ao amin’ny Filankevitra Ambonin’ny Mpitsara aho, mba handinika izay fepetra rehetra hanafoanana ny kolikoly, mba hamerenana ny fitokisan’ny Vahoaka ny Fitsaràna malagasy.
Eto am-pamaranana ary no ilazako fa misokatra amin’ny fomba ofisialy ny fivorian’ny Filankevitra Ambony Momba ny Mpitsara ho an’ny antokon-taona 2011-2014.
Misaotra Tompokolahy, Mankasitraka Tompokovavy.
Andry Nirina Rajoelina
Ny Filohan'ny Fahefana Avon'ny Tetezamita
FAMPITAM-BAOVAO
Fitsidihana ny fanamboarana ny hopitaly manarapenitra Asabotsy 16 Jolay 2011 - Toamasina
Nitsidika ny asa fananganana ny hopitaly manara-penitra tao Salazamay Toamasina ny Filohan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita, Andry Rajoelina ny sabotsy 16 jolay tolakandro.
Araka ny fanazavan’ireo tomponandrikitrin’ ny orinasa manamboatra ity hopitaliben’i Toamasina ity dia « efa nanomboka roa volana mahery ny asa fanorenana. Tokony ho vita amin’ny tapaky ny volana septambra izany ». Mirefy 7000m2 ny velaran-tany misy ny foto-drafitr’asa. Mitovy endrika amin’ny Hopitaly manara-penitra atsangana any Antananarivo sy ireo any amin’ny faritany hafa ihany. « Vita hatramin’ny 45% ny asa » raha ny fanazavan’ny teknisiana tamin’ny Filohan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita.
Tsiahivina fa anisan’ireo fampanantenana nataon’ny Filoha Andry Rajoelina ny fananganana hoptaly lehibe manaraka ny fenitra sy ny fivoaran’ny fitsaboana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Apetraka isaky ny renivohi-paritany enina manerana ny Nosy izany.
Isan’ny niara-dia tamin’ny Filoha Andry Rajoelina tamin’ny fitsidihana androany teto Toamasina ny Sekretera Jeneralin’ny Fiadidiana ny Fahefana Avon’ny Tetezamita, Haja Resampa, ireo mpikambana amin’ny Governemanta, ny minisitry ny Foloalindahy, ny Jeneraly Rakotoarimasy André Lucien, ny minisitry ny Fanajariana ny Tany sy ny Fanapariaham-pahefana, Hajo Andrianainarivelo, ny ministry ny Fambolena, Vivato Rakotovao, ny minisitry ny Serasera Harry Laurent Rahajason. Tonga teny an-toerana ihany koa ny lehiben’ny faritra Atsinanana, Alain Mahavimbina, ny PDS-n’ny Kaominina Andrenivohitr’i Toamasina, Rakotovao Mario.
Toamasina, 16 Jolay 2011
Ny tomponandraikitry ny Serasera eto anivon’ny Fiadidiana ny Fahefana Avon’ny Tetezamita
FAMPITAM-BAOVAO
Fitsidihana ny fanamboarana ny hopitaly manarapenitra Asabotsy 16 Jolay 2011 - Toamasina
Nitsidika ny asa fananganana ny hopitaly manara-penitra tao Salazamay Toamasina ny Filohan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita, Andry Rajoelina ny sabotsy 16 jolay tolakandro.
Araka ny fanazavan’ireo tomponandrikitrin’ ny orinasa manamboatra ity hopitaliben’i Toamasina ity dia « efa nanomboka roa volana mahery ny asa fanorenana. Tokony ho vita amin’ny tapaky ny volana septambra izany ». Mirefy 7000m2 ny velaran-tany misy ny foto-drafitr’asa. Mitovy endrika amin’ny Hopitaly manara-penitra atsangana any Antananarivo sy ireo any amin’ny faritany hafa ihany. « Vita hatramin’ny 45% ny asa » raha ny fanazavan’ny teknisiana tamin’ny Filohan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita.
Tsiahivina fa anisan’ireo fampanantenana nataon’ny Filoha Andry Rajoelina ny fananganana hoptaly lehibe manaraka ny fenitra sy ny fivoaran’ny fitsaboana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Apetraka isaky ny renivohi-paritany enina manerana ny Nosy izany.
Isan’ny niara-dia tamin’ny Filoha Andry Rajoelina tamin’ny fitsidihana androany teto Toamasina ny Sekretera Jeneralin’ny Fiadidiana ny Fahefana Avon’ny Tetezamita, Haja Resampa, ireo mpikambana amin’ny Governemanta, ny minisitry ny Foloalindahy, ny Jeneraly Rakotoarimasy André Lucien, ny minisitry ny Fanajariana ny Tany sy ny Fanapariaham-pahefana, Hajo Andrianainarivelo, ny ministry ny Fambolena, Vivato Rakotovao, ny minisitry ny Serasera Harry Laurent Rahajason. Tonga teny an-toerana ihany koa ny lehiben’ny faritra Atsinanana, Alain Mahavimbina, ny PDS-n’ny Kaominina Andrenivohitr’i Toamasina, Rakotovao Mario.
Toamasina, 16 Jolay 2011
Ny tomponandraikitry ny Serasera eto anivon’ny Fiadidiana ny Fahefana Avon’ny Tetezamita
FAMPITAM-BAOVAO
Fanolorana tamin’ny fomba ofiasialy solosaina sy fitaovana momba ny informatika ho an’ny “CENI” Alarobia 12 jolay 2011 - tamin’ny 10 ora
Noho ny fiovan’ny fandaharam-potoanan’ny Filohan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita, RAJOELINA Andry Nirina, tamin’ny ora farany, dia nanendry ny Praiminisitra , Lehiben’ny Governemantan’ny Fampiraisam-pirenena, ny Jeneraly CAMILLE Vital izy, mba hisolontena azy teny amin’ny foiben’ny Voameram-pirenena Mahaleontena momba ny Fifidianana (CENI) teny amin’ny ININFRA Alarobia, anio maraina tamin’ny 10 ora nandritra ny fanolorana ofiasialy solosaina sy fitaovana momba ny informatika. Nanatrika io fotoana io ny mpikambana eo anivon’ny CENI maromaro notarihin’ny Filohany, Me Rakotomanana Hery, sy ny mpikambana vitsivitsy ao amin’ny Governemanta nahitana ny Minisi-panjakana miadidy ny Fifandraisana amin’ny Andrimpanjakana, Rakotoarisoa Yves Aimé, ny Minisitry Atitany, Rakotoarisoa Florent, ny Minisitry ny Vola sy Tetibola, Rajaonarimampianina Hery, ny Minisitry ny Fitsarana, Razanamahasoa Christine ary ny Minisitry Tontolo Iainana sy ny Ala, ny Jeneraly Raveloarison Herilanto.
Nandritra ny kabarin’ny Filohan’ny CENI, Me Rakotomanana Hery no nanehoany ny fihetseham-pony fa : “hatramin’izay niforonany dia tsy nitsahatra nisedra olana ny CENI. Eo ny olana ateraky ny fampijoroana ny andrim-panjakana vaovao, ny ady hevitra politika isan-tokany, ary indrindra ny tsy fahampian’ny fitaovana ahafahana manatanteraka ny adidy masina izay andrasan’ny vahoaka malagasy dia ny fanomanana ny fifidianana madio sy azo itokisana. Manginy fotsiny ireo distrika sady tsy ampy fitaovam-pifandraisana no saro-dalana”. “Ny fifidianana dia raharahan’ny rehetra (ny CENI no mpanomana sy mpikarakara, ny Fanjakana mpanohana ary ny vahoaka izay mpifidy). Ny fandraisan’ny CENI ny raharaha dia tsy manala velively ny maha-raharaham-panjakana ny raharaham-pifidianana. Ka eo anatrehan’izany rehetra izany dia rariny sy hitsiny loatra raha manohana ny CENI ny Fitondram-panjakana. Izany tranga izany dia tsy manokana ho an’i Madagasikara ihany fa ikambanan’ny CENI rehetra ato anatin’ny Faritr’i Afrika sy ny Ranomasimbe Indiana. Tsy manala velively ny fahaleovantenany izany satria ny CENI, ary izy irery ihany, no tompon’andraikitra eo amin’ny fanontana ny lisim-pifidianana sy ny fikirakirana ny vokam-pifidianana. Tantsoroka ihany ny an’ny Fitondram-panjakana” hoy ihany izy.”Isaorana ny Fanjakana tamin’ny fanohanana, ny fanampiana ary ny tantsoroka nataony tamin’ny fampiantranoana ny CENI eto Alarobia sy any amin’ireo ratsa-mangaika isam-paritry ny CENI, tamin’ny fanohanana ara-bola izay hiasana hatramin’izay ka hatramin’izao ary indrindra ireto solosaina sy fitaovana informatika ary milina fanoratana ireto. Amin’ny fomba ofisialy no hilazan’ny CENI ny fahavononany hatrany hanomana sy hikarakara ary hamokatra fifidianana madio, mangarahara ary azo itokisana”, hoy izy namarana ny teniny.
Tetsy andaniny kosa ny Praminisitra, Lehiben’ny Governemantan’ny Fampiraisam-pirenena, ny Jeneraly Camille VITAL, izay nisolontena, ny Filohan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita, RAJOELINA Andry Nirina dia nanipika fa : “maro ny fahasahirananana natrehan’ny CENI saingy naneho ezaka hatrany izy ka tanteraka ihany ny asany tamin’ny Fitsapankevibahoaka ny Lalampanorenana ny 17 novambra lasa teo. Tsy moramora rahateo ny manao zavatra”. Ny Praminisitra dia nanamafy ny tenin’ny Filohan’ny CENI ary nanamarika fa : “ny fifidianana dia azo lazaina hoe raharaham-pirenena, noho izany dia andraikitry ny rehetra (CENI, Fanjakana ary vahoaka). Ho fitadiavana vahaolana amin’ireo lesoka teo aloha dia nanangana komity ny ao amin’ny Governemanta tarihin’ny Minisitry ny Atitany izay ahitana ny Minisi-panjakana miadidy ny fifandraisana amin’ny Andrimpanjakana, ny minisitry ny Vola sy ny Tetibola, ny Minisitry ny Fanajariana ny Tany sy ny Fanapariaham-pahefana, ny Minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Ala ary ny Minisitry ny Fitsarana. Ny fandraisana anjaran’ny tsirairay amin’ny fanatontosana izao fifidianana izao dia ho tonga amin’izay ny fankatoavana iraisampirenena. Ny CENI dia mijanona ho tomponandrakitra voalohany mahakasika ny fifidianana araka ny voalazan’ny filohany teo. Ny Fitondrana Tetezamita sy ny Governemantan’ny Fampiraisam-pirenena dia vonona hiara-hiasa akaiky amin’ny CENI hitondra ny fanohanana sy fanampiana amin’izay asa mifanandrify amin’izany mba hisian’ny fifidianana mangarahara sy demokratika”. Araka ny fampanantenana nomen’ny Filohan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita, RAJOELINA Andry Nirina, ireto solosaina sy fitaovana informatika ary milina fanoratana ireto dia hozaraina any amin’ireo Distrika 119 mba hampiakarana ny tahan’ny olona mahazo karapanondrom-pirenena maimaimpoana. “Mihoatra ny 200 ka hatramin’ny karapanondrom-pirenena 400 isan’andro no ho vita aorian’ny fametrahana ireo fitoavana vaovao ireo”, hoy ny Praiminisitra. Misy ihany koa ny fikasana hafa entina hanampiana ny CENI dia ny “hanomezana fitaovana toy ny motos sy fiarakodia ary indrindra ny groupe électrogène ho an’ireo distrika tsy misy herinaratra”, hoy hatrany ny lehiben’ny governemanta.
Taorian’ny lahateny nifandimbiasana dia nisy ny fanaovan-tsonia ny firaketana ny fandraisana ireto fitaovana vaovao ireto.
Lisitry ny fitaovana vaovao :
Désignation
Nombre
Machine à écrire
238
Onduleur UPS 650 VA
174
Unité centrale
174
Ecran LCD de 18.5’
174
Clavier
174
Souris optical
174
Imprimante HP tout en un (Imprimante - scanner et photocopieuse)
118
Avy hatrany dia ho tsinjaraina any amin’ny Ivon-toerana Informatika any amin’ny Distrika (CID) sy ny Ivon-toerana Informatika any amin'ny Faritra (CIR) ireto fitaovana vaovao natolotra ny CENI ireto.
Ambohitsorohitra, 12 Jolay 2011
Ny tomponandraikitry ny Serasera eto anivon’ny Fiadidiana ny Fahefana Avon’ny Tetezamita
FAMPITAM-BAOVAO
Fomba fitafy Malagasy
Nandritra ny fanamarihana ny faha-51 taonan’ny Fahaleovan-tenam-pirenena sy ny Foloalindahy Malagasy, nandritra ny tontolo andron’ny Alahady 26 Jona 2011, dia nitondra fitafiana miavaka ny Filohan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita, Andriamatoa Andry Nirina RAJOELINA. Nandritra ny matso lehibe izay natao teo amin’ny kianjaben’i Mahamasina sy nandritra ny lanonana notontosaina teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha dia fitafiana vita tenona tamin’ny landy no nanaovan’ny Filoha Andry Rajoelina tamin’izany mba nentiny nanasongadinana sy nentina nanomezan-danja ny mahalagasy sy ny fitiavan-tanindrazana.
Ambohitsorohitra, faha-26 Jona 2011
Ny tomponandraikitry ny Serasera eto anivon’ny Fiadidiana ny Fahefana Avon’ny Tetezamita
Ny Minisitry ny Raharaham-bahiny maorisiana, Andriamatoa Arvin Boolell, nialohan’ny niaingany ho any Windhoek - Namibie, hamonjy ny fivoriana an-tampon’ny SADC, dia nanao fanambarana toy izao, teo anoloan’ny mpanao gazety iraisam-pirenena : “Rehefa vita ny fankatoavana ny tondrozotra ataon’ireo Filoham-panjakana eo anivon’ny SADC, ny Fanjakana Maorisiana, dia mitaky ny fanafoanana an’ireo sazy rehetra noraisin’ny Vondrona Eropeana sy ny Amerikana mikasika an’i Madagasikara. Ny Fanjakana Maorisiana dia mandefa antso ihany koa ho an’ny Vondrona iraisam-pirenena isan-tokony, ao anatin’izany ny Vondron’ny Tany mampiasa manontolo na amin’ny anpahany ny teny frantsay na ny OIF, mba hanampy an’i Madagasikara amin’ny fikarakarana fifidianana malalaka sy eken’ny rehetra”.
Ambohitsorohitra, faha-20 May 2011
Ny Seraseran’ny Fiadidiana ny Fahefana Avon’ny Tetezamita
Ny voalohan-teniko dia ny fisaorana eram-po eran-tsaina amin’ny anaran’ireo vahoaka malagasy ireo rehetra izay nandray anjara tamin’ny fikarohana vahaolona, sy ny famahana ny disadisa pôlitika, ka nametraka avo ny fitiavan-tanindrazana ary nampandefitra ny ambom-po pôlitika.
Araka ny nifanarahana tao anatin’ny Soridalana na feuille de Route, neken’ny antoko sy fivondronan’antoko àry fikambanana pôlitika, sady nankatoavin’ny Fianakaviambe iraisam-pirenena , dia noraisiko ny tolo-kevitra rehetra isafidianana izay ho Praiminisitra ifanarahana na Premier Ministre de consensus, avy amin’ireo Vondrona politika maro.
Azo lazaina samy mendrika avokoa ireo anarana natolotra ahy, na eo amin’ny lafin’ny traikefa izany, na eo amin’ny lafin’ny fitiavan-tanindrazana, ary dia noraisiko tsirairay izy ireo nifampidinika tamiko, mba hahafahana mijery tsara izay làlana tena mahasoa ny Firenentsika, indrindra amin’izao dingana farany lalovan’ny tetezamita izao.
Efa ao anatin’ny repoblika faha-efatra tanteraka isika ankehitriny satria efa mipetraka ny lalam-panorenana. Fa ny tanjona kosa dia ny hametrahana rafitra iraisana ary mazava hirosoana amin’ny fifidianana madio sy mangaraharaha, hipetrahan’ireo olona ao anatin’ny andrim-panjakana amin’ny alalan’ny safidim-bahoaka, ao anatin’izany Repoblika faha-efatra izany.
Noho izany dia ankoatr’ireo fepetra voalaza ao anaty soridalana, dia misy toetra takiana ary foto-kevi-dehibe mibaiko ny fanendrena ny ho Praiminisitry iraisana, satria :
1) Ny Praiministra sy ny Governemanta ho hatsangantsika no hanampy ny CENI amin’ny fanatontosana ireo fifidianana rehetra. Izy ireo no hiantoka ny fitovian’ny mpifaninana eo amin’ny fifidianana na égalité des chances, sy ny tsy fitongilanan’ny Mpanao raharaham-panjakana na neutralité de l’Administration.
2) Ny Praiministra iraisana ho tendrentsika, izay hiasa ao anatin’ny fe-potoana voafetra, dia tokony ho olona matahoatra an’Andriamanitra, mitandro mandrakariva ny fahamarinana, mahitsy, mandeha amin-kitsi-po eo amin’ny andraikitra goavana ankinin’ny Firenena aminy, olon’ny fampihavanana sy ny fampiraisana, hanatanteraka ny fifidianana antsakany sy andavany.
Nandinika lalina ny tenako, namakafaka, naka ambony, naka ambany, nijery ny lafiny tsara sy ny lafiny ratsy rehetra, fa indrindra ny tombotsoa avon’ny Firenena, dia niompana tany amin’Andriamatoa Jeneraly Albert Camille VITAL.ny safidy.
Mino sy manantena aho fa ny Praiminisitra sy ny Governemantan’ny Firaisam-pirenena ho tarihiny, dia ho tena taratry ny firaisam-pirenena marina, hitondra fahombiazana tanteraka eo amin’ny fananganana ny rafitrin’ny Repoblika faha-efatra.
Firenena mino an’Andriamanitra ny Firenena Malagasy koa apetratsika eo am-pelatànany ny fitantanàna ny diantsika.
Masina ny Tanindrazana. Misaotra Tompokolahy, Mankasitra Tompokovavy.
Ratsirahonana Norbert Lala (Mpanolo-tsaina manokana ny Filoha Andry Rajoelina) Mpikambana ao aminy CST, TVM, alahady 13 martsa 2011
FAMPAHALALAM-BAOVAO
Vita sonia rangopohy omaly ny sori-dàlana tena raikitra.
Io sori-dàlana io no notadiavina nandritra ny dinika sy ady hevitra rehetra natao nandritra ny roa taona latsaka izay.
Vahaolana vokatry ny ezaky ny samy Malagasy, ary dia nankatoavin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena.
Andriamanitra no tolorantsika voalohany ny fisaorana nahafahantsika nanatontosa izao dingana lehibe izao satria efa nankinintsika taminy hatramin’ny voalohany ny fiainam-pirenentsika sy ny lalan-kalehantsika.
Fankasitrahana sy fisaorana mitafotafo no atolotro anareo rehetra nitoto nahafotsy sy nahandro nahamasaka ity sori-dàlana ity.
Mankasitraka eram-po eran-tsaina ny Vahoaka Malagasy ny tenako nanana faharetana, fitokisana, ary nandray andraikitra hatrany, na tamin’ny tolona izany, na ankehitriny eo amin’ny fandrafetana ny Repoblika faha-efatra.
Efa ela niandrasana loatra ny Vahoaka Malagasy satria efa ela loatra ny savorovoro pôlitika, koa dia tsy maintsy miroso haingana hatrany isika. Noho izany dia natolotry ny Praiminisitra ny tenako androany ny fametraham-pialany sy ny governementa notarihiny.
Fankasitrahana feno koa no atolotro ny Praiminisitra Albert Camille Vital sy ny Governemanta notarihiny tamin’ny ezaka goavana notanterahin’izy ireo. Tsiahivina fa iny Governemanta iny no nanatontosa ny famolavolana ny lalam-panorenana vaovao sy ny fanatanterahana ny fitsapan-kevi-bahoaka nampijoroana ny Repoblika faha-efatra iainan’ny Firenentsika ankehitriny.
Miantso avy hatrany ireo Vondrona Pôlitika misy àry ny tenako hanolotra ahy ao anatin’ny fotoana fohy araka izay azo atao ny anaran’ireo olona heverin’izy ireo fa azo hotendrena ho eo amin’ny toeran’ny Praiminisitra mifanaraka amin’izay voalaza ao amin’io sori-dàlana io, mba hahafahantsika manangana amin’ny fomba haingana araka izay azo atao ihany koa ny Governementan’ny Firaisam-pirenena.
Ambohitsorohitra, faha-10 Martsa 2011
Ny Talen’ny Serasera eo anivon’ny Fiadidiana ny Fahefana Avon’ny Tetezamita
FAMPAHALALAM-BAOVAO
Fahatongavan’Atoa Jean Claude Rakotoarilalao an-tanindrazana, Malagasy takalonaina tany Niger
Nigadona omaly teny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato ny fiaramanidin’ny “Air France”, nitondra an-dRakotoarilalao Jean Claude, malagasy nalain’ny vondrona mpampihorohoro “Al Qaïda” an-keriny nandritra ny enim-bolana, niaraka tamin’ireo tera-tany frantsay roa hafa. Nandritra ny tafa fohy nataony amin’ny mpanao gazety no nanararaotany nisaotra « ny avo indrindra » sy ny vahoaka malagasy rehetra noho ny vavaka nasandratra ho azy. Nisaotra ihany koa ny fitondram-panjakana sy ny Filohan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita, Andry Nirina RAJOELINA, ny tenany « tamin’ny fikarakarana rehetra. Hitako ny taratasy fisaorana nataon’ny Filoha Andry RAJOELINA ho an’ny Filoha Sarkozy izay nampihetsi-po tanteraka ». Nitondrany fisaorana ihany koa ny Fitondam-panjakana tao Niger sy tao Frantsa.
Nambarany tamin’ireo mpanao gazety anefa fa tsy mbola afaka mitantara ny nanjo azy izy satria mbola misy ireo mbola voatana any amin’izao fotoana izao. Ankoatra izay dia nambarany fa tsy fantany ny anton’ny nitanana azy an-keriny na ny fepetra rehetra nanafahana azy.
Ankoatra ny fianakaviany tonga nitsena an’i Rakotoarilalao Jean Claude teny Ivato dia anisan’ny tonga teny an-toerana ihany koa ny mpikambana maromaro ao amin’ny governemanta notarihin’ny Praiministra Camille Vital, ary nahitana ny Minisitry ny Raharaham-bahiny Hyppolite Ramaroson, ny an’ny ny Vola sy ny Teti-bola, Hery Rajaonarimampianina, ny an’ny Varotra, Mahazoasy Freddy, ary ny Minisitry ny Tontolo Iainana, Herilanto Raveloarsion.
Ny tolakandron’ny Alakamisy 03 martsa 2011 kosa dia noraisin’ny Filohan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita, Andry Nirina RAJOELINA teto amin’ny lapam-panjakana Ambohitsorohitra Atoa Jean Claude Rakotoarilalao mivady. “Anisan’ny tena nitaintaina fatratra sy nanao izay ho afany ny Fitondrana Tetezamita. Tsy nitsahatra nifandray sy nifampidinika tamin’ireo firenena maro ny mpitondra mba nitady vahaolana nahafahana nanafaka ity takalon’aina teratany Malagasy ity”, hoy ny Filoha Andry RAJOELINA. Niarahaba azy araka izany ny Filohan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita “tsy maty fo aman’aina” nandritra izay enim-bolana nitanan’ny vondron’ny mpampihorohoro azy izay. Atoa Jean Claude Rakotoarilalao kosa tetsy an-daniny, dia nanamafy fa “tsy naheno vaovao mihitsy nanomboka ny 16 Septambra 2010 ary efa tsy nanana fanantenana ny ho velona sy hiverina an-tanindrazana intsony mihitsy”.
Ambohitsorohitra, faha-03 Martsa 2011
Ny Talen’ny Serasera eo anivon’ny Fiadidiana ny Fahefana Avon’ny Tetezamita
FAMPAHALALAM-BAOVAO
Famotorana mikasika ny raharaha « Radion’ny Gasy »
Araka ny zava-boalazan’ny Andiny faha-11 ny Lalampanorenan’ny Repoblika faha IV, “manan-jo hahalala vaovao ny tsirairay. Tsy misy faneriterena mialoha azo ampiharina amin’ny fampahalalam-baovao amin’ny endriny rehetra ankoatr’ireo izay mamoafady na mety hanohintohina ny filaminam-bahoaka (…)”.
Ny fomba amam-panao hatrizay rahateo dia nitarika hatrany ireo mpanao fanadihadiana sy mpanao famotorana nampahalala ny Vahoaka, avy amin’ny alàlan’ny Fampahalalana an-tsoratra na fihaonana amin’ny Mpanao gazety, ny fizotran’ireo fanadihadiana sy famotorana nataon’izy ireo mikasika raharaha iray.
Ny “Direction de la Sécurité du territoire” na DST, izay miankina mivantana amin’ny Fiadidiana ny Fahefana Avon’ny Tetezamita, no misahana ny fanadihadiana sy famotorana ny raharaha mikasika ny « Radion’ny Gasy ».
Noho izany, amin’ny fampiharana ara-bakiteny ny fepetran’ny fangaraharahana tanteraka, dia manambara ny DST fa namboraka ny tao an-tsainy sy ny tao am-pony, tamin’ny an-tsipiriany ary voarakitra an-kapila mangilatra, Ramatoakely Tantely, Tomponandraikitry ny Akany fitazaina zaza kamboty, izay an’ny FJKM, mitondra ny anarana “TOPAZA”. Ramatoakely Tantely izay efa voasambotra mikasika izao raharaha izao.
Teny am-boalohany, androany Alatsinainy faha 28 Febroary 2011, dia nanambara izy fa izany Naivo izany (izay mpiray tsikombakomba aminy) no niantso azy an-telefaonina ka nanery azy hanaiky ny fametrahana ireo fitaovana rehetra an’ny “Radion’ny Gasy” ao amin’ny tranon’ny Akany izay iandraiketany.
Afaka ora vitsivitsy anefa, dia namboraka tanteraka izy fa ny Pasitora RASENDRAHASINA Lala, Filohan’ny FJKM sady Filoha am-perinasan’ny FFKM, no niantso azy an-telefaonina ka nanery azy hanaiky ny fametrahana ireo fitaovana rehetra an’ny “Radion’ny Gasy” ao amin’io tranon’ny Akany izay iandraiketany io.
Koa ny Zoma faha 18 Febroary 2011 lasa teo, dia nanambara ity Ramatoakely Tantely ity fa tonga tao amin’ny Akany tokoa Rakotonirina Lova (Depiote TIM teo aloha tany Ambositra), Tsilavo sy Sata (samy “Mpanao gazety” ny “Radion’ny Gasy”) nametraka izany fitaovana izany ary nampandeha, ny alin’io Zoma io, izany Radio tsy ara-dalàna izany. Ny ampitson’io andro io rahateo no tratran’ny DST teny an-toerana i Tsilavo niaraka tamin’ny sasany tamin’izany fitaovana izany.
Koa andraikitra fenon’ny Fitsarana ny mahalala ny vesatry ny rohirohy amin’izao raharaha izao mikasika ny Pasitora RASENDRAHASINA Lala, araka io famborahana nataon-dRamatoakely Tantely io.
Ankoatra izay, dia Maître RANARIVONY Rolland Stepenson, Mpiaro miasa eto an-dRenivohitra, no voatondro fa nalaina sy nokaramain’ny FJKM hiaro an-dRamatoakely Tantely amin’izao raharaha izao.
Etsy andanin’izay, mbola naka vola, mira amin’ny etsy ambony, tany amin’ny Ray aman-dRenin-dRamatoakely Tantely ihany koa izy, fa homena ny Talen’ny DST hono mba hahafahana mamoaka an’ity Ramatoakely ity.
Noho izany rehetra izany, dia nanokatra famotorana sy fanadihadiana an’ity Mpiaro ity ihany koa ny DST mikasika fiampagana telo loha : “fanerena olona mba ahazoana vola, fampiasana amin’ny tsy izy ny fifandraisana sy ny fahefana ary fikasana hanao kolikoly”.
Ampitsahivina moa fa “Fanohintohinana ny filaminana anatiny ny Firenena” na “Atteinte à la sûreté intérieure de l’Etat” no heloka bevava hanenjehana ireo olona rehetra izay voarohirohy amin’ity raharaha ity.
Ny Alakamisy na ny Zoma hoavy izao no hatolotra ny Tonian’ny Mpampanoa Lalàna ireto olona voasambotra rehetra ireto.
Ambohitsorohitra, faha 27 Febroary 2011
Ny Talen’ny Serasera eo anivon’ny Fiadidiana ny Fahefana Avon’ny Tetezamita
Tamin’ny 11 ora maraina no nigadona tao amin’ny seranam-piaramanidin’i Farafangana ny Filohan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita, Andry Nirina RAJOELINA sy ireo mpiara-dia aminy izay nahitana ny Minisitry ny Asa Vaventy, ny an’ny Toekarena, ny an’ny Jono ary ny an’ny Fambolena. Na dia teo aza ny andro ratsy sy ny orana mikija dia tsy nahasakana ny Filoha Andry RAJOELINA nihaona tamin’ny vahoaka efa vory lanona maro be teo amin’ny Bazar Fenoarivo izany.
Nisy ny kabary nifandimbiasan’ny Lehiben’ny Faritra Atsimo Atsinanana sy ireo mpanao politika zanaky ny faritra. Nandritra ny fandraisany fitenenana dia nomarihin’ny Filoha Andry RAJOELINA fa anton’izao fitsidihana izao ny fanomezan-tanana ireo mpiray tanindrazana traboina noho ny fandalovan’ny rivo-doza “Bingiza” farany teo izay nitarika fahasimban’ny voly, ny trano fonenana, ny sekoly ary ny fiakaran’ny rano. Araka ny nambaran’ny Filohan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita dia “raha tonga aty izahay dia amin’ny fo feno fitiavana mba hitondra fanampiana. Amin’izao fotoana izao dia isan’ny fanampiana amin’ny famokarana sy ny fampandrosoana ny fanomezana fitaovana hampiasain’ny mponina. Noho izany dia tsy atody akory no omena fa akoho manatody ary tsy trondro fa fintana.”. Izany hoe fanampiana maharitra ahafahan’ny mponina miasa sy mivelatra avy hatrany no nentin’ny Filoha Andry RAJOELINA. Noho izany dia notolorana masom-boly : vary, katsaka sy vomanga ireo traboina ireo mba ahafahany manarina avy hatrany ny fahasimban’ny voly izay tondraky ny rano avokoa. Mandra-piandry ny vokatra avy amin’ireo masom-boly ireo anefa dia misy ny fanampiana vonjy maika (aide d’urgence) omena isam-pianakaviana izay ahitana vary 10kg, menaka 1litatra, ronono 1 boaty, siramamy 1kilao, labozia 1 fonosana ary lamba firakotra. Ankoatra izay dia nambaran’ny Filohan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita ihany koa fa miezaka manakaiky sy mitady ny mahasoa ny mponina hatrany ny Fitondrana Tetezamita mba ahafahan’ny vahoaka mihinana sy misakafo araka ny tokony ho izy. Araka izany dia nambaran’ny Filoha Andry RAJOELINA fa ho avy any Farafangana amin’ny eriny androany farafahatarany ny vary mora 900 Ariary/kilao ( raha toa ka vidian’ny mponina any an-toerana 1400Ariary ny kilao ankehitriny). Nanterin’ny Filoha Andry RAJOELINA fa haharitra ny fivarotana io vary mora io. Ankoatra izay dia nampanantenainy ihany koa fa hasiana toeram-pivarotana “tsena mora” aty Farafangana.
Etsy an-danin’izay, nampanantena ny hanamboarana ny lalana (22 km alohan’ny hiditra ny tananan’i Farafangana) izay dobo-drano ihany koa ny Filoha Andry RAJOELINA. Nisy araka izany ny toromarika nomena ny Ministry ny Asa Vaventy mba handinika avy hatrany ny asa fanamboarana tokony hatao rehetra. Notsindrian’ny Filohan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita fa “ tsy fotoanan’ny kobaka am-bava sy ny kabary instony izao fa aleo izay zavatra mety ho vita ihany no ambara sy atao”. Taorian’izay dia nihaona mivantana tamin’ny mponina ao amin’ny Fokontany Anosivelo, 15km miala an’i Farafangana, ihany koa ny Filoha Andry RAJOELINA sy ny delegasiona mafonja notarihiny. Marihina fa ity Fokontany ity dia tena voa mafy tamin’ny fandalovan’ny rivo-doza “Bingiza” farany teo ary nahitana olona maty mihitsy. Noho izany dia tonga nitsapa alahelo ireo fianakiavana niharan-boina ireo ny Filoha Andry RAJOELINA ary nanolotra fanampiana (vary 10kg, menaka 1litatra, ronono 1 boaty, siramamy 1kilao, labozia 1 fonosana ary lamba firakotra) ihany koa ho an’ny traboina ao amin’ny Fokontany. “Tsy amela anareo ho kamboty aho. Ny Fitondrana Tetezamita dia mitady hevitra hatrany hanampiana ny vahoaka sy hanamaivanana ny fahasahiranany” hoy ny Filoha Andry RAJOELINA.
Taorian’izay dia nihazo avy hatrany ny tananan’i Vangaindrano ny Filohan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita ny tolakandro. Toy ny tao Farafangana dia nitondra fanampiana ho an’ireo mponina nitondra takaitra tamin’ny fandalovan’ny rivo-doza “Bingiza” no anton-diany tany an-toerana. Nitovy tamin’ny fanampiana rehetra nomena tao Farafangana ny natolotra ny mponina ao Vangaindrano. Ankoatra izay dia isan’ny hahazo ilay “vary mora” amidy 900 Ariary/kg ihany koa ny mponina ao an-toerana izay ho tonga amin’ny herinandro ambony io. Fantatra fa voa mafy ity tananan’i Vangaindrano ity noho izy toerana be rano. Araka izany dia nambaran’ny Filoha Andry RAJOELINA fa “entina hanampiana tosika ny sehatry ny fambolena any amin’ny Faritra Atsimo Atsinana diamisy velaran-tany fambolena miisa 38 hananganana toha-drano izay miteti-bidy 1 tapitrisa Euro na 2,7 miliara Ariary”.
Ankoatra ny lafiny sosialy dia isan’ny novalian’ny Filoha Andry RAJOELINA tamin’ny fitsidihany tao Vangaindrano ny sora-baventy nentin’ny mponina izay nahitana ny Antoko TIM, AREMA, TGV, Leader Fanilo. Amin’ny ankapobeny dia ny fangatahana ny firotsahan’ny Filoha Andry RAJOELINA ho fidiana amin’ny fifidianana Filoham-pirenena sy ny fanohanana ny sori-dalan’ny SADC no nisongadina tamin’ireo sora-baventy ireo. Notsindrian’ny Filohan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita fa : “ilaina ny mpanohitra ao anatin’ny fitantanana ny Firenena demokratika te handroso rehetra. Ka izay tsy vonona hanao sonia ilay sori-dalana dia aleo hijanona ho mpanohitra ihany”.
Rahampitso dia mbola hitohy any Vohipeno ny fitsidihana sy ny fanomezana fanampiana ataon’ny Filoha Andry RAJOELINA ho an’ireo mpiray tanindrazana nitondra takaitra noho ny fandalovan’ny rivo-doza “Bingiza”.
Lisitry ny fanampiana isaky ny Faritra :
Faritra
Isan’ny fianakaviana traboina
Vary (taonina)
Ronono (boaty)
Siramamy (kilao)
Savony (bara)
Labozia (fonosana)
Menaka (Tavoahangy)
Lamba fiarakotra (isa)
Farafangana
1 000
(olona 5 000)
10
1 000
1 000
1 000
1 000
1 000
1 000
Vangaindrano
600
(olona 3 000)
6
600
600
600
600
600
600
Vohipeno
400
(olona 2 000)
4
400
400
400
400
400
400
TOTALY
2000 (olona 10 000)
20
2 000
2 000
2 000
2 000
2 000
2 000
Farafangana, faha-25 Febroary 2011
Ny Seraseran’ny Fiadidiana ny Fahefana Avon’ny Tetezamita
Araka ny fandaharam-potoana efa voafaritra dia nitohy androany Asabotsy 26 Febroary 2011 maraina, tao Vohipeno, ny fitsidihana sy ny fanomezana fanampiana nataon’ny Filohan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita, Andry Nirina RAJOELINA, sy ireo mpiara-dia taminy, ho an’ireo mpiray tanindrazana traboina noho ny fandalovan’ny rivo-doza “Bingiza”farany teo. Teo amin’ny CEG Vohipeno no toerana nihaonan’ny Filoha Andry RAJOELINA tamin’ny mponin’i Vohipeno.
Nandritra ny kabary nifandimbiasana dia nanambara ny Filohan’ny Delegasiona Manokana ao Vohipeno fa : “ betsaka ny takaitra navelan’ny rivo-doza “Bingiza” raha ny teto Vohipeno manokana no resahina ka anisan’izany ny fahasimban’ny fotodrafitrasa toy ny lalana ao Mangabe”. Fa mbola anisan’ny votoatin’ny kabarin’ny PDS ihany koa ny fangatahana ny fanamboarana ny tranompokonolona izay nambarany fa tena efa simba tanteraka, toy izany ihany ny fanamboarana ny “abattoir” ary ny fanamboarana ny CEG Vohipeno izay tsy azo hianarana mihitsy rehefa fotoanan’ny orana satria dia dobo-drano tanteraka. Ankoatra izay dia nangataka ihany koa ireo mpampianatra ao amin’ity CEG ity mba hanomezana solosaina ho an’ny sekoly. Tsy adinon’ny tomponandraikitry ny tananan’i Vohipeno ihany koa anefa ny nangataka ny hanamboarana kianja manara-penitra.
Ny Ministry ny Jono kosa dia nanamafy fa nisy ny fotodrafitrasa maromaro izay simba ao amin’ny Faritra Vatovavy Fitovinany. Ankoatra izay dia isan’ny hetahetan’ity Ministry ny Jono ity ny hanamboarana ny seranantsambon’i Manakara.
Nandritra ny fandraisany fitenenana kosa dia nomarihin’ny Filoha Andry RAJOELINA fa : “tsy mandry ny fonay sy ny sainay ka izay no hahatongavanay aty mba hampahery sy hitondra fanapiana ho anareo taorian’ny fandalovan’ny rivo-doza Bingiza farany teo. Tsy maintsy tonga ny Fitondrana hanakana ny loza voajanahary toy ireny. Tsy ny loza voajanahary ihany anefa fa izay loza rehetra azo sakanana”. Nambarany ankoatra izay fa : “hitako tokoa fa betsaka ny zavatra simba aty amin’ny Faritra VatovavyFitovinany. Izay indrindra no anton’ny fahatongavan’ireo ministra maromaro ireo mba hijery akaiky sy handinika ny fanarenana rehetra azo atao”. Etsy an-danin’izay dia novalian’ny Filoha Andry RAJOELINA avy hatrany ihany koa ny fangatahan’ireo mpampianatry ny CEG Vohipeno ary nambarany fa : “ho avy afaka roa andro monja ireo solosaina ho an’ity sekoly ity”. Nanteriny ankoatra izay fa : “tsy fotoanan’ny kabary intsony izao fa aleo izay ho vita sy azo atao ihany no ambara”. Ireo fangatahana hafa kosa dia nambaran’ny Filoha Andry RAJOELINA fa tsy maintsy dinihina akaiky.
Ankaotra izay, toy ny nataony tany amin’ny Faritra Atsimo Atsinanana omaly, dia nangataka renim-pianakaviana iray hisolontena ny rehetra ny Filoha Andry RAJOELINA mba hotolorana ilay lamba firakotra izay sady “fanampiana no mari-pahatsiarovana maharitra”.
Mbola nanterin’ny Filohan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita teto Vohipeno ihany koa fa : “fotoana hanomezana fitaovana izao mba ahafahan’ny mponina mamokatra”. Anisan’ny hahafantarana ity faritra Vatovavy Fitovinany ity ny famokarana kafe, jirofo ary litsia ka nanambara ny Filoha Andry RAJOELINA fa faniriany raha mba lasa sompotr’i Madagasikara ihany koa ity faritra Vatovavy Fitovinany ity satria manana tany tena mamokatra tokoa. Mbola eo amin’izay sehatry ny famokarana izay ihany dia nilaza ny Filoha fa asiana orinasa (usine) mamokatra siramamy aty amin’ny Faritra Vatovavy Fitovinany mba ahafahana manome asa ho an’ny tanora ary tsy maintsy tanterahina ao anatin’ny fotoana fohy io tetikasa io. Hisy avy hatrany noho izany amin’ny herinandro ambony io solontena avy amin’ny ministera tomponandraikitra handinika ny fanatanterahana izany tetikasa izany.
Ankoatra izay, nisy ny orinasa sinoa mpitrandraka fasi-mainty antsoina hoe “Mayland” izay nanome vola mitentina 100 000 dolara na 200 tapitrisa Ariary mba hanampiana ny tra-boina any amin’ny faritra Vatovavy Fitovinany. Nanapa-kevitra anefa ny Fitondrana fa hampiasaina hividianana vary mora io vola io ka hisy ny vary mahatratra 200 Taonina ho zaraina any Vohipeno sy any amin’ny faritra hafa.
Anisan’ny nasian’ny Filohan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita tsindrim-peo ihany koa ny resaka politika nandritra ity fihaonana tamin’ny vahoaka tao Vohipeno ity. “Tsapa hatramin’izay fa nanana sy nampiseho fahendrena hatrany ny mpitarika anareo na dia tanora aza. Ny teny ataoko ho an’ny raiamandreny dia tsotra. Aleo ny tanora no hitantana. Tokony hitso-drano ny zanaka ny raiamandreny fa tsy hitsivalam-pandry intsony. Efa miainga ny samboben’i Madagasikara, ka aleo ho hitan’ny rehetra eo izay tara sambo. Amin’ity taona ity dia hibaliaka ny masoandron’i Madagasikara satria ho tanterahina avokoa ny fifidianana rehetra. Tsy maintsy mijoro, tsy maintsy miroso ary tsy maintsy tafita isika” hoy ny Filoha Andry RAJOELINA.
Vohipeno, faha-26 Febroary 2011
Ny Seraseran’ny Fiadidiana ny Fahefana Avon’ny Tetezamita
Raha mahatsiaro izany andro izany isika dia feom-basy, namana lavo, zanaka naratra, ralahy sy anabavy namoy ny ainy, izany no ao an-tsaina.
Tanam-polo feno finoana, fasahiana ary fitiavan-tanindrazana, izany no noentina niakatra tety niatrika ireo basy maro vava. Ary na inona na inona fitiavan-tena, fitiavana fahefana, dia tsy ekena mihitsy ny famonoana ny mpiray Tanindrazana toa anao.
Na fantatsika aza fa lalan-tsarotra misy hazo fijaliana holanjaina iny lalana iny, dia tsy nisy nihevitra mihitsy isika, fa hisy ho sahy handatsak’aina sy handatsa-drà ny mpiray Tanindrazana.
Tsy nisy nino fa mbola hisy mpitondra Malagasy handripaka ain’ny Malagasy. Tsy nisy nanampo fa hisy mpitondra hanakarama mpikarama an’ady handavo ny Malagasy iray rà tahaka azy.
Saingy indrisy fa maro no namoy ny ainy tamin’iny andro ny 7 Febroary iny, 36 mianadahy no indray lavo tao anatin’ny minitra fohy. Am-polony no tsy hita ka tsy tafaraka amintsika intsony anio, noho ny balan’ireo tsy mataho-tody. Koa mahatsiaro manokana an’izy ireo isika androany. Ary koa ianareo 200 mahery izay nahazo takaitra noho ny etraketrak’ireo tsy matahotra an’ Andriamanitra. Mankahery anareo mandrakariva izahay !
Tsy ny zavatra mitranga any ivelany toy ny tany Tunésie, ny any Algérie sy Egypte, sy ny sisa akory no mahafaly fa ny fahatsapan’izao tontolo izao ny lanjan’izany hetsi-bahoaka izany, ny fahatsapan’izy ireo izany fitakiana ho amin’izany fanovàna izany satria dia nindrana ary nitaky an’izany làlan’ny fanovàna izany daholo ireo Firenena ireo ankehitriny.
Ankehitriny dia tsapan’izao tontolo izao ny lanjan’ny zavatra nitranga teto Madagasikara.
Ireo 36 mianadahy izay namoy ny ainy dia tanora mahery fo eo imason’ny firenena Malagasy satria tanora latsaky ny 30 taona ny ankamaroan’izy ireo. Ary ny hikan’ireo lavo dia hikan’ny fitakina ho an’ny fanovàna sy ho an’ny fandrosoan’ny Firenena nefa dia novonoina izy ireo.
Inoako fa tsy mandry saina ireo izay namono fa henjehin’ny eritreriny araka ny fiteny Malagasy manao hoe : “aleo enjehan’ny omby masiaka toy izay enjehan’ny eritreritra”.
Tsy ataontsika raraka an-tany ny ràn’ireo maritioran’ny Firenena ireo fa ho fototra hampijoroana Firenena Vaovao araka izay notakian’ny Malagasy manerana an’i Madagasikara nandritra ny tolona natao tamin’ny taona 2009.
Ny afon’ny fitiavan-tanindrazana dia niredareda tao am-pon’izy ireo satria ny tao an-tsainy dia ny hoe : « raha ho faty ihany aho dia aleoko maty ho an’ny Tanindrazana. Raha misy làlana tokony ho safidiana ho an’ny Firenena, dia aleoko misafidy mankany amin’ny fahafahana sy fandrosoana”. Izany no nibaiko an’izy ireo.
Reko ny fangatahanareo AV7 teo.
Tsy mba niady seza ianareo, tsy mba nametraka fepetra fa dia nanana fahendrena koa heveriko fa rariny sy hitsiny raha manana solotena tendrena ho mpikambana ao amin’ny kongresin’ny Tetezamita ianareo. Ho jerena manokana ny lalàna afahana manohy ny fanampiana anareo mba tsy hifarana miaraka amin’ny Tetezamita izany fitsinjovana anareo izany. Tsy amelanareo ho irery ary tsy handiso fanantenana anareo aho.
Voavahantsika tsikelikely ny olana, na teo aza ny sakatsakana samihafa. Efa naneho ny fanapahan-keviny ny Malagasy tsy vaky volo ary niaraka nanajoro ny Repoblika faha-efatra tamin’ny faha 17 novambra 2010 lasa teo.
Izany no nahatonga ny Firenena any ivelany sy ny fianakaviam-be iraisam-pirenena manomboka nanova ny fijeriny koa ankehitriny.
Tsy maintsy voavahantsika ny olana, ary tsy maintsy miroso ny Firenena satria isika tsy naman’izay mihemotra. Efa miaina tanteraka ao anatin’ny Repoblika faha-efatra isika ankehitriny na dia mbola misy aza ny te hamerina ny firenena any amin’ny Repoblika fahatelo. Sao dia mba tsy rariny intsony e, sao dia mba tsy mety intsony e !
Tsy maintsy ho tafajoro ireo rafitra vaovao voalazan’ny lalam-panorenana. Izay no nanaovana antso avo ireo hery pôlitika rehetra sy olona tsara sitrapo manana ny fahaiza-manao. Izay vonona dia ho raisina an-tanan-droa satria izany no ilain’ny Firenena ankehitriny fa kosa tsy misy mihitsy ny hifanerena. Aleo ho hitan’ny vahoaka Malagasy eo izay sakana sy naman’ny tsy vonona hiroso.
Efa miroso tanteraka isika izao mankany amin’ny fikarakarana ny fifidianana eken’ny rehetra, izany hoe, eken’ny vahoaka Malagasy sy eken’ny fianakaviam-be iraisam-pirenena. Efa iarahantsika mahita fa tonga eto an-toerana ny firenena mikambana na “Nations Unies” ankehitriny, hijery sy hanaraka ny fanatontosana izany an-tsakany sy an-davany. Ary ho avy amin’ity herinandro ity ihany koa ny O.I.F na “Organisation Internationale de la Francophonie” hanatevin-daharana amin’izany.
Amafisiko fa tsy andron’ny adi-varotra sy ady seza intsony izao, fa andron’ny fanovàna : fanovàna fomba fisainana, fanovàna fomba fiasa ary fanovàna fomba fitantanana mba hitsinjovana ny Vahoaka. Azo atao tsara ny mampandroso an’ity firenentsika ity haingana raha tena misy ny fitiavan-tanindrazana. Azo atao ny manova ity Nosy malalantsika ity ho tena filamatra tsiriritin’ny hafa raha tena misy ao amintsika, indrindra ao amin’ny mpanao pôlitika, ny fahavononana sy ny finiavana hiova sy hanova, tahaka ny fitiavan-tanindrazana sy ny fahavononana nisy tao anatin’ireo maritiora nandatsaka ny ainy sy ny rany teto, tamin’ny 07 febroary 2009.
Raha misy fanirina tokony holazaina androany dia mba tsy hisy intsony anie ny famonoana ny Malagasy samy Malagasy. Ary ho tiavintsika tahaka ny fitiavan’ireo mahery fo anie i Madagasikara. Ho tiavintsika Madagasikara satria tanindrazantsika ary tsy manana tanindrazana hafa isika ankoatran’ity nosy malalantsika ity.
Masina ny Tanindrazana. Misaotra Tompokolahy, Mankasitraka Tompokovavy.
Andry Nirina Rajoelina
Ny Filohan'ny Fahefana Avon'ny Tetezamita
Ambohitsorohitra, faha-7 febroary 2011
FILAZAM-BAOVAO
« Tsena mora mitsinjo ny Malagasy »
Ny Fiadidiana ny Fahefana Avon’ny Tetezamita dia manambara fa ny fitohanan-daharana, nitranga teny amin’ireo toera-pivarotana sasany “Tsena mora mitsinjo ny Malagasy” teto an-dRenivohitra tamin’ny Alarobia 27 Oktobra lasa teo, dia vokatry ny fisian’ireo sokajin’olona izay tokony tsy ahazo entana ho vidiana amin’izany toeram-pivarotana izany kanefa dia nanana tapakila fahazoan-dàlana hividy teny an-tànana.
Ny fanadihadiana natao no nahalalana fa nisy tamin’ireo Sefo Fokontany no nanome tapakila nahazoan-dàlana hividy entana teny amin’ireny toeram-pivarotana “Tsena mora mitsinjo ny Malagasy” ireny ho an’olona vitsivitsy, kanefa izany olona izany dia tsy voasokajy velively ho anisan’ireo sahirana ara-pivelomana.
Mazava ho azy amin’izany fa mbola misy hatrany ireo izay tsy mieritreritra ny hanova fomba amam-panao ka na dia entana natokana hoan’ireo sahirana ara-pivelomana aza dia mbola kendrena hanaovana risoriso ihany.
Nisy kosa anefa, etsy andanin’izay, ireo Sefo fokontany, maro an’isa, izay mendri-piderana tokoa tamin’ny asa sy ezaka nataon’izy ireo nahalavorary ny raharaha teny anivon’ireny “Tsena mora mitsinjo ny Malagasy” ireny.
Noho izany, mampatsiahy ny Fiadidiana ny Fahefana Avon’ny Tetezamita fa ireo “Tsena mora mitsinjo ny Malagasy” rehetra dia natokana fotsiny ihany ho an’ireo fianakaviana sahirana ara-pivelomana. Koa tokony ifandraika amin’izany fenitra izany ny fizarana tapakila izay atao eny anivon’ny Fokontany tsirairay avy.
Na izany na tsy izany, efa nisy avy hatrany ireo fepetra hentitra noraisina mba hampirindra amin’ny tokony ho izy ny raharaha eny anivon’ireny “Tsena mora mitsinjo ny Malagasy” ireny. Koa hisy ny sazy hentitra hoan’ireo Sefo Fokontany izay mbola minia mizara tapakila amin’ireo olona tsy tokony hahazo izany.
Ankoatra izay, hisy ihany koa ny fanaraha-maso, hentitra sy mivantana, hatao eny anivon’ireny “Tsena mora mitsinjo ny Malagasy” ireny ka handraisana ny fepetra hentitra mikasika ireo olona manana tapakila kanefa tsy tokony hahazo alàlana hividy entana.
Ny Fiadidiana ny Fahefana Avon’ny Tetezamita dia miantso ny fahatsiarovan-tenan’ny tsirairay amin’izao asa ifandrimbonan’ny rehetra izao ka itsinjovana ny fiainan’ireo vahoaka tsy mandady harona eto amin’ny Firenena.
Mankasitra hatrany ny Fitiavan-Tanindrazana sy ny Hambo-pom-pirenena izay tsy mitsahatra ny miboiboika ao anatintsika tsirairay avy.
Ary mamerina etoana indray ny fisaorana mitafotafo ireo rehetra izay mifandray saina sy tànana amin’ny fampandehanana ireo “Tsena mora mitsinjo ny Malagasy” ireo.
Ambohitsorohitra, faha 28 Oktobra 2010
Ny Talen’ny Serasera eo anivon’ny Fiadidiana ny Fahefana Avo’ny Tetezamita